FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w00 1/1 p. 32
  • Rehefa ‘Tohain’ny Rivotra Isika’

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Rehefa ‘Tohain’ny Rivotra Isika’
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
w00 1/1 p. 32

Rehefa ‘Tohain’ny Rivotra Isika’

Raha nilazalaza ny zavatra tena nisy niainan’ireo mpianatr’i Jesosy fony izy ireo niady mafy mba hiampitana ny Ranomasin’i Galilia tamin’ny sambokely i Marka mpanoratra Filazantsara, dia nilaza fa ‘sahirana nivoy fatratra izy ireo, fa notohain’ny rivotra’. Nahatsinjo ny fahoriana nanjo azy ireo avy teny amoron-drano i Jesosy, ka nandeha tamim-pahagagana teny ambonin’ny ranomasina izy mba hanatratrarana azy ireo. Rehefa niakatra nankeo aminy teo an-tsambokely izy, dia nitsahatra ny rivotra.​—Marka 6:48-51.

Io mpanoratra Baiboly io ihany no nitatitra fa taloha kokoa dia “nisy tafio-drivotra mahery”. Tamin’izay i Jesosy dia “niteny mafy ny rivotra (...), ka tony tsara ny andro”.​—Marka 4:37-39.

Na dia tsy manana tombontsoa hanatri-maso fisehoan-javatra mahagaga toy izany aza isika amin’izao andro izao, dia afaka miana-javatra maro avy amin’izany. Noho isika olombelona tsy lavorary miaina ao anatin’ny vanim-potoana mampidi-doza, dia tsy voaro amin’ny rivo-pahoriana isika. (2 Timoty 3:1-5). Raha ny marina, indraindray isika dia mety hahatsapa fa mahery vaika toy ny tafio-drivotra ny fahoriana mifandray amin’ny fisedrana manokana. Misy anefa ny fanampiana! Manolotra izao fanasana izao i Jesosy: “Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.”​—Matio 11:28.

Rehefa hita fa ‘tohain’ny rivotra isika’, dia azontsika atao ny ho “tony tsara” ao am-pontsika ao. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny fitokisana amin’ireo fampanantenana azo antoka omen’i Jehovah Andriamanitra.​—Ampitahao amin’ny Isaia 55:9-11; Filipiana 4:5-7.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara