Ny Olombelona—Biby Ambony Karazana Fotsiny Ve?
“Zava-dehibe ve izay inoantsika momba ny niandohan’ny fiainana?”
Nametraka an’io fanontaniana io ny zazavavy iray 16 taona any Brezila, tao amin’ny teny fampidirany ny famelabelarana nataony, izay niorina tamin’ny foto-kevitra hoe “Ny Olombelona—Biby Ambony Karazana Fotsiny Ve?” Nasain’ny mpampianatra azy hamelabelatra an’io fanontaniana io teo anoloan’ny iray kilasy izy, taorian’ny nahazoan’ilay mpampianatra ny Mifohaza! 22 Jona 1998 (frantsay), izay mivaofy an’io foto-kevitra io.
Navohitran’ilay tanora Vavolombelona fa mandoza tokoa ny fampianarana momba ny evôlisiôna miorina amin’ny fifantenana araka ny natiora. Olona maro, ohatra, no mihevitra fa ny teôrian’ny evôlisiôna dia nitarika ny sasany hihevitra ny ady ho tapany voajanahary fotsiny amin’ilay ady toa tsy misy farany atao mba hahavelomana, ka vao mainka nanamora ny fampandrosoana ny Fasisma sy ny Nazisma.
Nasehon’ilay mpianatra fa misy hantsana goavana manasaraka ny olombelona sy ny biby. Izao no nolazainy: “Ny olombelona ihany no afaka mampitombo fifikirana amin’ny zavatra ara-panahy. Ny olombelona ihany no miezaka hahafantatra ny hevitry ny fiainana sy ny zava-kendren’izy io. Ny olombelona ihany no sahiran-tsaina ny amin’ny fahafatesana, sy liana ny amin’izay niandohany, ary manam-paniriana ny hiaina mandrakizay. Tena zava-dehibe tokoa ny handaniantsika fotoana hianarana misimisy kokoa momba izay niandohantsika!”
Nanao teny fiderana momba ilay famelabelarana tsara dia tsara ilay mpampianatra. Nilaza izy fa noho ilay zatovo Vavolombelona tia mamaky teny no nahatonga ilay famelabelarana hahomby. Fantatra ho mazoto mamaky zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly toy ny Mifohaza! sy Ny Tilikambo Fiambenana ilay tovovavy, ao am-pianarana.
Miahy amim-pahatsorana ny amin’ny fiantraikan’ny teôrian’ny evôlisiôna eo amin’ny fo sy ny sain’ny tanora, ny Vavolombelon’i Jehovah. Noho izany antony izany, dia nampirisika an’ireo tanora Vavolombelona ny kôngregasiôna misy an’io tovovavy io mba hanome iray amin’io Mifohaza! 22 Jona 1998 io, ho an’ny mpampianatra azy sy ny iray kilasy aminy. Gazety 230 no voazara tany amin’ny sekoly maro samihafa tao amin’ilay tanàna. Nanao famandrihana tamin’ny gazety Mifohaza! ny talen’ny Sampam-pianarana Siansa ao amin’ny sekoly iray.
Eny, zava-dehibe izay inoantsika momba ny niandohan’ny fiainana! Nasehon’io zazavavy io sy ny namany fa tena zava-dehibe eo amin’ny fiainany ny finoana ny Mpamorona.