FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w00 1/6 p. 32
  • Tsy Mivadika Hatrany Amin’i Jehovah

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tsy Mivadika Hatrany Amin’i Jehovah
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
w00 1/6 p. 32

Tsy Mivadika Hatrany Amin’i Jehovah

NA DIA tsy fahita firy aza ny tsy fivadihana amin’izao andro izao, izy io dia toetra mampiavaka ny mpanompon’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina. Miorina tsara hatrany, manoloana ireo fisedrana, sy tsy azo hozongozonina, ny olona tsy mivadika, na dia eo aza ny fandehan’ny fotoana. Diniho ny amin’i Hezekia, mpanjaka tsara. “Tsy nisy tahaka azy tamin’izay rehetra mpanjakan’ny Joda, na ny teo aoriany, na ny teo alohany”, hoy ny fitantaran’ny Baiboly. Inona no nampiavaka an’i Hezekia? “Nifikitra tamin’i Jehovah” izy, na dia voahodidin’ny mpivavaka tamin’ilay andriamani-diso natao hoe Moloka aza. Eny, “tsy niala tamin’ny fanarahana [an’i Jehovah], fa nitandrina ny didy”, i Hezekia.​—2 Mpanjaka 18:1-6.

Olon-kafa iray tsy nivadika hatrany tamin’i Jehovah koa ny apostoly Paoly. Manome porofo mampiaiky ny amin’ny tsy fiovaovan’i Paoly teo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra, tamin’ny fanahy rehetra, ny fitantarana ao amin’ny Soratra Grika Kristianina mirakitra ny fanompoany. Teo amin’ny faramparan’ny fiainany teto an-tany, dia afaka nilaza toy izao momba ny tenany i Paoly: “Efa niady ny ady tsara aho; nahatanteraka ny fihazakazahako aho; nitahiry ny finoana aho”.​—2 Timoty 4:7.

Namela ohatra tsara dia tsara ho antsika tokoa, momba ny tsy fivadihana, i Hezekia sy i Paoly! Enga anie isika mba haka tahaka ny finoan’izy ireo, amin’ny tsy fivadihana hatrany amin’i Jehovah, ilay Andriamanitsika Lehibe.​—Hebreo 13:7.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara