FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w00 15/6 p. 32
  • Iza no Hamarana ny Herisetra?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Iza no Hamarana ny Herisetra?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
w00 15/6 p. 32

Iza no Hamarana ny Herisetra?

TAMIN’NY Septambra 1999, dia niarahaba tonga soa ireo solontena hanatrika ny fivoriambe faha-54, fivoriambe fanaony isan-taona, ny sekretera jeneralin’ny ONU, Andriamatoa Kofi Annan. Araka ny tatitra nataon’ny The Toronto Star, dia nanao antso avo ho an’ireo mpitondra eo amin’izao tontolo izao izy, nanao hoe: “Firenena maro be no mila zavatra mihoatra noho ny teny mamy omen’ny fiaraha-monina iraisam-pirenena. Mila fifanekena marina sy maharitra izy ireo, mba hanampy azy amin’ny famaranana ny herisetra miverimberina, ka hanombohany hizotra eo amin’ny lalana azo antoka ho amin’ny fanambinana.”

Afaka manome ny “fifanekena marina sy maharitra”, izay ilaina mba hamaranana ny herisetra, ve ny ONU sy ireo firenena mpikambana ao aminy? Nilaza toy izao ny filoha amerikanina Bill Clinton, araka ny tatitra hita tao amin’io Star io ihany: “Fantatsika fa mora erỳ ny nilaza hoe ‘ampy izay’ taorian’ny fandatsahan-dra rehetra natao tamin’ity taonjato ity, fa sarotra be kosa ny fanatanterahana izany.” Nanampy teny toy izao izy: “Tsy fiantrana, toy ny tsy firaharahana ihany, ny fanaovana kobaka am-bava.”

Maherin’ny 2 500 taona lasa izay, dia nilaza toy izao ny mpaminany Jeremia, mahakasika ny ezaka ataon’ny olombelona: “Jehovah ô, fantatro fa tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany, na an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany.” (Jeremia 10:23). Misy fanantenana àry ve ny amin’ny famaranana ny herisetra?

Nanome toky toy izao Andriamanitra, araka ny amakiantsika azy ao amin’ny Isaia 60:18: “Ny fampahoriana tsy ho re eo amin’ny taninao intsony, na ny fandravana sy ny fandringanana ao anatin’ny fari-taninao”. Nahita ny fahatanterahany voalohany io faminaniana io rehefa naverin’Andriamanitra, ho any an-tanindrazana, ny vahoakany natao sesitany. Manana fahatanterahany lehibe koa, izay ahafahantsika hifaly, izy io. Tsy manao “kobaka am-bava” i Jehovah. Avo Indrindra sady Mpamorona ny olombelona izy, ka tsara toerana indrindra mba hamarana ny “herisetra miverimberina”. Hanjaka ny fiadanana, eo ambany fanapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Hanjavona mandrakizay ny herisetra!​—Daniela 2:44.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara