Manome Voninahitra An’Andriamanitra ny Asa Soa
IREO tia an’Andriamanitra dia miezaka hanome taratry ny fahazavana ara-panahy avy ao amin’ny Teniny, dia ny Baiboly. Amin’izany fomba izany, dia mankatò izao didin’i Jesosy izao izy ireo: “Aoka hazava eo imason’ny olona (...) ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra.” (Matio 5:16). Afaka manome voninahitra an’Andriamanitra ny teny lazaina sy ny fitondran-tena mahitsy.
Miezaka hampifaly an’Andriamanitra ny Vavolombelon’i Jehovah, amin’ny fanaovan-javatra mifanaraka amin’ny Baiboly sy amin’ny filofosana hanampy ny hafa eo amin’ny lafiny ara-panahy. Manao izany izy ireo na dia any amin’ny tany izay mbola tsy anekena ho ara-dalàna ny fanompoana ataony ho an’ny besinimaro aza. Tao amin’ny renivohitry ny iray tamin’ireny tany ireny, dia nanao ireo fivoriambeny fanao isan-taona ireo Vavolombelona. Nisy mpanatrika 6 000 ka hatramin’ny 9 000 tamin’izy ireny. Nanofa efitrano tao amin’ny fitambaran-trano iray nanaovana fampirantiana izy ireo mba hanaovana ireny fivoriana ireny. Toy ny efa nataon’ireo Vavolombelona tao anatin’ireo taona teo aloha, dia an-jatony maro taminy no niasa mafy nanadio ireo trano sy nametraka fandefasam-peo sy seza an’arivony maro, talohan’ny fivoriamben’ny distrikan’izy ireo tamin’ny 1999.
Tsikaritry ny hafa izany fanomanana rehetra izany. Nandinika ireny asa ireny ireo mpitantana tao amin’ilay fitambaran-trano. Hitan’izy ireo koa fa na dia nisy tampon’isan’ny mpanatrika 15 666 aza, dia nandeha tsara ny zava-drehetra ary tena nilamina ireo Vavolombelona. Nampiaiky volana an’ireo mpitantana koa ny fanadiovana tanteraka taorian’ny fivoriambe.
Nampiseho fankasitrahana izany rehetra izany ireo mpitantana, tamin’ny fanaovana ireo Vavolombelona ho loha laharana, mba ho izy ireo no hanana fahafahana voalohany hanofa ilay trano, ny taona manaraka. Mbola mihoatra noho izany anefa no nataon’ireo mpitantana. Nomen’izy ireo mari-pankasitrahana ny komitin’ny fivoriambe, tamin’ny 15 Jolay 1999. Voasoritra eo amin’ilay takela-pahatsiarovana ny teny hoe “ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah”. Zavatra tsy ampoizina izany raha any amin’ny tany iray ameperana ny asa fampianarana Baiboly ataon’izy ireo.
Maneran-tany, dia an-tapitrisany maro, amin’ny taona 2000/2001, no antenaina hanatrika fivoriambe an-jatony maro, dia ireo Fivoriamben’ny Distrikan’ny Vavolombelon’i Jehovah “Mpankatò ny Tenin’Andriamanitra”. Amin’ny fanatrehanao izany, dia ny tenanao mihitsy no afaka hahita hoe amin’ny ahoana ireo manaraka amim-pahatsorana izay voalaza ao amin’ny Baiboly no manao asa soa manome voninahitra an’Andriamanitra.