FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w01 15/12 p. 32
  • “Odi-maso Hahosotrao ny Masonao”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Odi-maso Hahosotrao ny Masonao”
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
w01 15/12 p. 32

“Odi-maso Hahosotrao ny Masonao”

TOY ny taratasim-panafody nomen’i Jesosy Kristy ny fiangonan’i Laodikia, tany Azia Minora, io teny io.

Hoy i Jesosy: “Manoro hevitra anao Aho hividy amiko ... odi-maso hahosotrao ny masonao mba hahiratanao.” Tsy areti-maso ara-bakiteny ilay izy, fa fahajambana ara-panahy nila fitsaboana. Voasariky ny toe-tsaina nanjaka tao amin’ilay tanàna nanankarena nisy azy ny Kristianina tany Laodikia, ka nanjary tsy niraharaha ny zavatra ara-panahy tena nilainy.

Izany no nanimba ny fahitan’izy ireo, araka ny tenin’i Jesosy hoe: “Hoy hianao: Manan-karena sy efa nihary fananana be aho ka tsy manan-java-mahory; kanjo tsy fantatrao fa hianao no ilay ory sy mahantra sy malahelo sy jamba ary mitanjaka.” Nila “odi-maso” fanasitranana ireo anisan’ilay fiangonana, na dia tsy nahatsapa izany aza. Ny fanekena ny fampianarana sy ny fifehezana omen’i Jesosy ihany anefa no ahazoany an’izany. “Manoro hevitra anao Aho hividy amiko”, hoy i Jesosy.​—Apokalypsy 3:17, 18.

Mila mitandrina toy ireo tany Laodikia koa ny Kristianina marina ankehitriny, mba tsy ho voasariky ny fitiavan-karena sy ny fikatsahana fahafinaretana manodidina azy. Ilaina ny ‘mividy odi-maso [amin’i Jesosy] hahosotra ny maso mba hahiratana’, hoy ilay fananarana, mba hahitana tsara hatrany ara-panahy.

Tsara homarihina fa tsy maintsy vidina ilay “odi-maso.” Misy fandaniana ilay izy. Tsy maintsy andaniana fotoana ny fianarana sy ny fandinihana ny Tenin’Andriamanitra. Manome toky antsika ny mpanao Salamo fa “madio ny didin’i Jehovah, mampahazava ny maso [ara-panahy].”​—Salamo 19:8.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara