“Mety Haharary Ity”
EFA nandre an’ireo teny ireo ve ianao? Nety ho niteny an’izany ny dokotera na ny mpitsabo mpanampy, talohan’ny nanindronany.
Azo inoana fa tsy handa ilay tsindrona ianao satria fotsiny hoe tsy te hanaintaina. Hiaritra ilay fanaintainana kosa aza ianao mba ho salama. Mety hiankinan’ny aina ny fanekena na ny fandavana fitsaboana mampanaintaina, rehefa tena mafy ny aretina.
Mety tsy hila ny fikarakaran’ny dokotera foana isika. Mpanota anefa isika rehetra, ka mila fananarana na fanitsiana, na dia mety hampanaintaina aza izany indraindray. (Jeremia 10:23) Izao no lazain’ny Baiboly, mba hanantitranterana fa mila fananarana ny ankizy: “Miraikitra amin’ny fon’ny zaza ny hadalana; fa ny tsorakazo famaizana no hampanalavitra izany aminy.”—Ohabolana 22:15.
Ny fahefan’ny ray aman-dreny no lazaina hoe tsora-kazo eo amin’io andininy io. Marina fa vitsy ny ankizy tia fananarana. Mety tsy ho tiany ilay izy, raha miaraka amin’ny sazy. Tsy ny fahasosoran’ilay ankizy anefa no hifantohan’ny ray aman-dreny hendry sy be fitiavana, fa ny soa ho azo kosa. Fantatry ny ray aman-dreny kristianina fa marina ny Tenin’Andriamanitra hoe: “Ny famaizana rehetra dia tsy mba atao ho mahafaly andro anaovana, fa mampahory; fa rehefa afaka izany, dia vao mitondra ny vokatry ny fahamarinana hiadanana ho an’izay nanaovana azy izy.”—Hebreo 12:11; Ohabolana 13:24.
Mazava ho azy fa tsy ny ankizy ihany no mila fananarana. Mila an’izany koa ny olon-dehibe. Izy ireo no iresahan’ny Tenin’Andriamanitra toy izao: “Tano mafy ny fananarana, ka aza avela hiala; hazòny izy, fa ainao.” (Ohabolana 4:13) Hanaiky fananarana miorina amin’ny Baiboly àry ny olona hendry, na tanora izy na antitra, satria hiaro ny ainy izany amin’ny farany.