FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w03 1/7 p. 31
  • Video Manohina ny Fon’ny Tanora

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Video Manohina ny Fon’ny Tanora
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
w03 1/7 p. 31

Video Manohina ny Fon’ny Tanora

TANORA maro no voatosika handini-tena tamim-pitandremana, rehefa nijery ilay video hoe Manontany ny Tanora—Ahoana no Hahazoako Tena Namana?a Izao avy no hita ao amin’io video io: Torohevitra mahasoa avy ao amin’ny Baiboly, fanadinadinana tanora kristianina vitsivitsy, ary tantara maoderina tena mampahery notsoahina avy amin’ny tantaran’i Dina ao amin’ny Baiboly. (Genesisy toko faha-34) Misy tatitra voaray avy any Meksika ireto, momba io video io.

Hoy i Martha: “Nanohina lalina ny foko ilay video. Toy ny hoe natao ho ahy mihitsy ilay izy. Nihevitra aho fa ampy rehefa fantatry ny mpampianatra sy mpiara-mianatra tamiko hoe Vavolombelon’i Jehovah aho. Tsy mba nanaporofo izany tamin’ny fitoriana tamin-dry zareo anefa aho. Tena ankasitrahako ny torohevitra rehetra omen’i Jehovah, indrindra fa rehefa tena mahakasika anay toy ny amin’iny video iny.”

Hoy i Juan Carlos: “Tena mahatonga saina ilay video. Nanao fahadisoana aho amin’ny maha tanora ahy, ary nisy toetrako nitovitovy tamin’ny an’ny tanora sasany ao amin’ilay tantara. Taona vitsivitsy lasa izay dia naditra aho na dia efa Vavolombelon’i Jehovah aza. Tsapako anefa fa miteraka voka-dratsy izany. Tapa-kevitra ny hahatoky eo anatrehan’i Jehovah aho taorian’ny nijereko an’ilay video.”

Nilaza i Sulem hoe: “Feno dia feno ny foko teo am-pijerena ilay video. Efa tsy namaky Baiboly sy tsy nivavaka matetika tamin’i Jehovah intsony aho talohan’izay. Voatosika hianatra Baiboly sy hivavaka amin’i Jehovah indray anefa aho, rehefa nahare izay nolazain’ireo tanora tao amin’ilay video.”

Miatrika olana maro ny tanora amin’izao andro izao, ary matetika no misy akony lehibe eo amin’ny fomba hitondrany ny fiainany ny namana fidiny. (Salamo 26:4; Ohabolana 13:20) Manampy tanora maro hanapa-kevitra tsara momba izany indrindra ilay video hoe Manontany ny Tanora—Ahoana no Hahazoako Tena Namana?

[Fanamarihana ambany pejy]

a Nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara