FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w05 15/1 p. 32
  • “Ahoana no Nataonareo?”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Ahoana no Nataonareo?”
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
w05 15/1 p. 32

“Ahoana no Nataonareo?”

GAGA i Muriel, renim-pianakaviana manan-janaka telo, rehefa nametraka io fanontaniana io taminy, ny zokiolona iray tsy fantany tany amin’ny hotely fisakafoana. Sahirana nitondra ny zanany tany amin’ny dokotera i Muriel, ka tara tany. Tsy nanam-potoana hodiana sy hisakafoanana tany an-trano intsony izy ireo, talohan’ny hanatrehana fivoriana kristianina. Nentiny tao amin’ny hotely teo akaiky teo àry ny zanany, mba hahafahan’izy ireo hisakafo.

Nanatona an’i Muriel ny lehilahy iray rehefa ho lany ny sakafon’izy ireo, ary nilaza hoe: “Nandinika anareo aho hatramin’ny nidiranareo tato, ary voamariko fa tsy mitovy mihitsy amin’ny ankizy fahitako ny zanakao. Hitanao angamba ny anaovan’ny ankizy ny latabatra sy ny seza. Ataony eny ambonin’ny latabatra ny tongony, ary atositosiny ny seza. Mipetraka tsara sy mahalala fomba kosa ny zanakao. Ahoana no nataonareo?”

Hoy i Muriel: “Miara-mianatra Baiboly tsy tapaka amin’ny zanakay izahay mivady, ary miezaka mampihatra izay ianaranay. Vavolombelon’i Jehovah izahay.” Hoy àry ilay lehilahy: “Jiosy tsy maty tamin’ny Famonoana Tambabe aho. Tadidiko ny nampijaliana ny Vavolombelon’i Jehovah tany Alemaina. Voamarika fa niavaka foana izy ireo. Fa tena nahagaga ahy aloha ny fihetsiky ny zanakao e! Handalina momba ny fivavahanareo mihitsy aho.”

Boky tsara dia tsara manampy amin’ny fitaizan-janaka ny Baiboly. Tena vonona ny Vavolombelon’i Jehovah hanampy ny olona handray soa amin’ny tari-dalana omen’ny Soratra Masina. Asaina amim-pitiavana ianao hamaly ilay fanasana eto ambany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara