FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w05 1/7 p. 32
  • “Vita Hatreo Ilay Izy”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Vita Hatreo Ilay Izy”
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
w05 1/7 p. 32

“Vita Hatreo Ilay Izy”

NANAO fivoriamben’ny vondrom-paritra tao Mbandaka, tanàna any amin’ny faritra avaratrandrefan’ny Repoblika Demokratikan’i Congo, ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny taona 2002. Tena faly ny mpanatrika rehefa navoaka tamin’io fivoriambe io Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny teny lingala. Nisy nitsambikina mihitsy, fa ny hafa kosa latsa-dranomaso. Nirohotra nankeny amin’ny lampihazo ny olona avy eo, mba hijery akaiky ilay Baiboly vaovao sady niantsoantso hoe: “Basuki, Basambwe”, izay midika hoe: “Vita hatreo ilay izy! Menatra ry zareo!”

Nahoana no nientam-po be ny mpanatrika, ary inona no dikan’ireo teniny ireo? Tsy afaka nahazo Baiboly tamin’ny teny lingala ny Vavolombelon’i Jehovah, tany amin’ny faritra sasany tany Mbandaka. Nahoana? Satria tsy nety nivarotra azy ireny taminy ny eglizy. Tsy maintsy naniraka olona tsy Vavolombelona izy ireo raha mba te hividy. Faly be àry izy ireo, satria tsy afaka misakana azy tsy hahazo Baiboly intsony izao ny eglizy.

Tsy ny Vavolombelon’i Jehovah ihany no handray soa avy amin’ilay fandikan-teny vaovao, fa ny olon-kafa koa. Ren’ny lehilahy iray tao an-tranony ny fandaharan’ny fivoriambe satria nalefa tamin’ny fanamafisam-peo. Izao no nosoratany tany amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah: “Tena faly aho fa nivoaka io Baiboly io. Zavatra maro no hazava amintsika rehefa hamaky azy io. Tsy Vavolombelon’i Jehovah aho, nefa tsy andriko ny hahazoana io Baiboly vao navoakanareo io.”

Misy amin’ny fiteny 33 izao Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Amin’ny fiteny 19 hafa kosa ny Soratra Grika Kristianina, ka anisan’izany ilay amin’ny teny lingala. Nahoana raha manontany ny Vavolombelon’i Jehovah ny fomba hahazoanao iray amin’io fandikan-teny tsara dia tsara io?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara