Inona no Hanampy Antsika ho Tony?
MILA tsy ho voafehinao ve ny fihetseham-ponao indraindray? Mora sorena, tezitra, na kivy ve ianao? Mitady hanahy be loatra ve ianao? Inona àry no hanampy anao?
Tandra vadin-koditry ny olombelona ny fihetseham-po, ary mahatonga ny fiainana hahafinaritra kokoa raha voafehy tsara. Milaza anefa ny Baiboly, fa “ny fampahoriana dia mahavery saina ny hendry.” (Mpitoriteny 7:7) Iza tokoa moa no tsy mihetsi-po rehefa mahita ny herisetra sy ny loza mateti-pitranga eto amin’ity tontolo ity? Milaza koa anefa ny Soratra Masina, fa “tsy misy tsara noho ny ifalian’ny olona amin’ny asany.” (Mpitoriteny 3:22) Mila mianatra mifaly àry isika, mba hahafinaritra kokoa ny fiainana. Inona no azontsika atao mba hifehezana ny fihetseham-pontsika, ary hampitomboana ny fifaliana sy ny fahasambarantsika?
Matetika no misy zavatra azontsika atao mba hampitonena ny fontsika. Mety hanahy isika, ohatra, rehefa misy zavatra tsy haintsika halamina. Tsy tsara kokoa ve ny manova ny zavatra fanaontsika mahazatra na miova rivotra kely, toy izay hifantoka amin’ilay zavatra mampanahy? Mety ho tony sy ho sambatra isika raha mandehandeha, mihaino mozika malefaka, mampiasa tena mafimafy kokoa, na manampy ny sahirana.—Asan’ny Apostoly 20:35.
Ny fatokisana ny Mpamorona anefa no tena manampy antsika tsy hijery lafy ratsin-javatra. Mila mivavaka isika, ary ‘mametraka amin’Andriamanitra izay rehetra mampanahy antsika’, raha zatra mijery lafy ratsin-javatra. (1 Petera 5:6, 7) Manome toky antsika ny Baiboly hoe: “Akaikin’izay manana fo mangorakoraka Jehovah ... Maro ny fahorian’ny marina; nefa Jehovah manafaka azy amin’izany rehetra izany.” (Salamo 34:18, 19) Inona no hahatonga antsika hatoky fa “Mpamonjy sy Mpanafaka” antsika Andriamanitra? (Salamo 40:17) Ilaintsika ny mianatra Baiboly sy misaintsaina ireo tantara tena nisy ao anatiny, izay mampiseho fa miahy ny mpanompony Andriamanitra.