FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w05 1/12 p. 32
  • Vaovao Tsara ho An’ny Firenena Rehetra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Vaovao Tsara ho An’ny Firenena Rehetra
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
w05 1/12 p. 32

Vaovao Tsara ho An’ny Firenena Rehetra

IO BOKIKELY eo ambony io dia nivoaka tamin’ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritry ny Vavolombelon’i Jehovah “Miaraha Mandeha Amin’Andriamanitra”, tamin’ny 2004. Mirakitra hafatra ara-baiboly fohy amin’ny fiteny 29, manaraka ny filaharan’ny abidy, io bokikely 32 pejy io. Natao hampahafantarana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana, amin’ny olona maro araka izay azo atao izy io. (Matio 24:14) Ireto misy fitantarana mampiseho ny vokatry ny fampiasana azy.

• Nitsidika valan-javaboary telo ny fianakaviana Vavolombelona iray, rehefa nahazo an’ilay bokikely tany amin’ny fivoriambe. Nihaona tamin’olona avy any Holandy, Inde, Pakistan, ary Philippines izy ireo tany. Hoy ilay raim-pianakaviana: “Nahay teny anglisy kely daholo ry zareo. Tena lavitra ny tanindrazany anefa izy ireo, ka gaga be rehefa nampisehoanay an’ilay hafatra amin’ny fiteniny. Lasa fantatr’izy ireo tsara ilay asa maneran-tany ataontsika sy ny firaisan-tsaintsika.”

• Avy any Inde ny mpiara-miasa amin’ny Vavolombelona iray. Nasehony azy ilay bokikely, ka faly be izy nahita ny fiteny rehetra tao anatiny. Novakiny ilay hafatra amin’ny fiteniny. Nanjary niara-nidinika bebe kokoa ny Baiboly izy ireo, noho izany. Gaga be koa ny mpiara-miasa taminy iray avy any Philippines, rehefa nahita ny fiteniny tao amin’ilay bokikely. Lasa naniry hahafantatra bebe kokoa momba ny Vavolombelon’i Jehovah izy.

• Tany Kanada indray, dia nisy vehivavy iray avy any Népal nanaiky hiara-mianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelona. Nisalasala hampandroso an’ilay anabavy tany an-tranony anefa izy, ka natao an-telefaonina ilay fianarana. Rehefa niresaka momba ilay bokikely misy hafatra amin’ny teny népali anefa ilay anabavy, dia may erỳ ilay ramatoa nanasa azy ho any an-tranony. Tiany ho hita mantsy ilay hafatra amin’ny fiteniny! Natao tany an-tranony ilay fianarana Baiboly nanomboka tamin’izay.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara