Fantatrao Ve?
Miresaka momba ny rindrina manasaraka ny Jiosy sy ny hafa firenena ny apostoly Paoly, ao amin’ny Efesianina 2:11-15. Rindrina ara-bakiteny ve izy io?
Nohazavain’i Paoly tao amin’ny taratasiny ho an’ny Efesianina, fa tsy nitovy ny Israelita sy ny “vahiny.” Nisy ‘rindrina nanasaraka’ mantsy ireo antokon’olona roa ireo. (Efesianina 2:11-15) Tsy inona izany fa ny “Lalàna” nomena tamin’ny alalan’i Mosesy. Mety ho nampahatsiahy an’ilay rindrim-bato fahiny anefa ny “rindrina” noresahin’i Paoly.
Nisy tokotany maromaro tsy azon’ny olona sasany nidirana ny tempolin’i Jehovah tao Jerosalema, tamin’ny taonjato voalohany. Afaka niditra teo amin’ny Tokotanin’ny Hafa Firenena ny olon-drehetra. Ny Jiosy sy ny olona niova ho amin’ny fivavahana jiosy ihany anefa no nahazo niditra tao amin’ireo tokotany hafa. Nisy rindrim-bato 1,3 metatra teo ho eo, nantsoina hoe Sorega, nanasaraka an’ireo faritra roa ireo. Nilaza i Flavius Josèphe mpahay tantara jiosy, fa nisy soratra tamin’ny teny grika sy latinina teo amin’io rindrina io. Nandrara ny hafa firenena izy io mba tsy hihoatra an’ilay fefy, ka tsy hiditra tao amin’ny toerana masina.
Hita tatỳ aoriana ny soratra tamin’ny teny grika teo amin’io rindrina io. Izao no vakiny: “Tsy misy vahiny mahazo mihoatra ity fefy ity na ny fefy manodidina ny toerana masina. Ho voaheloka ho faty izay tratra.”
Azo inoana fa noharin’i Paoly tamin’ilay Sorega ny fifaneken’ny Lalàn’i Mosesy, izay nanasaraka ny Jiosy sy ny hafa firenena hatramin’ny ela. “Nandrava ny rindrina teo anelanelany” anefa ny fahafatesan’i Jesosy, ka nanafoana ny fifaneken’ny Lalàna.
Nahoana no lazaina foana hoe 12 ny fokon’ny Israely, nefa 13 izy ireo raha ny marina?
Novana hoe Israely ny anaran’i Jakoba, ary avy amin’ny zanany no niavian’ireo fokon’ny Israely. Nanan-janakalahy 12 i Jakoba, dia i Robena, Simeona, Levy, Joda, Dana, Naftaly, Gada, Asera, Isakara, Zebolona, Josefa, ary Benjamina. (Genesisy 29:32–30:24; 35:16-18) Ny 11 tamin’ireo no nanana foko tamin’ny anarany. I Josefa kosa tsy mba nanana, fa i Efraima sy Manase zanany lahy no lasa filohan’ny foko, ka nanana foko tamin’ny anarany. Lasa 13 àry ny fokon’ny Israely. Nahoana anefa ny Baiboly no milaza foana hoe 12 ny fokon’ny Israely?
Voatokana ireo lehilahy tamin’ny fokon’i Levy, mba hanompo tao amin’ny tranolain’i Jehovah, ary tatỳ aoriana tao amin’ny tempoly. Tsy nasaina nanao miaramila àry izy ireo. Hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Ny firenen’ny Levita ihany no aza alamina, ary aza mba alaina isa miaraka amin’ny Zanak’Isiraely; fa tendreo izy hitandrina ny tabernakelin’ny Vavolombelona sy ny fanaka rehetra ary ny zavatra rehetra izay momba azy.”—Nomery 1:49, 50.
Tsy nahazo anjara tamin’ny Tany Nampanantenaina koa ny Levita. Nomena tanàna 48 nanerana ny tanin’ny Israely kosa izy ireo.—Nomery 18:20-24; Josoa 21:41.
Ireo antony roa ireo no nahatonga ny fokon’i Levy tsy ho voatonona miaraka amin’ireo foko hafa. Lazaina hoe 12 foana àry ny fokon’ny Israely.—Nomery 1:1-15.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 21]
Archaeological Museum of Istanbul