FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w08 1/12 p. 3
  • Tenin’olona Momba An’i Jesosy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tenin’olona Momba An’i Jesosy
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • Mitovitovy Aminy
  • Olona Tsara Fotsiny ve i Jesosy?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Ny Lehilahy Niavaka Indrindra Hatramin’izay
    Mifohaza!—2006
  • Nazareta
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
w08 1/12 p. 3

Tenin’olona Momba An’i Jesosy

‘Azo antoka fa i Jesosy avy any Nazareta no olona niavaka indrindra teo amin’ny tantara.’—H. Wells, mpahay tantara anglisy.

“Niavaka tamin’ny olo-malaza rehetra hatramin’izay ... i Kristy.”—Philip Schaff, teolojianina sady mpahay tantara, teratany soisa.

IZA no mendrika hantsoina hoe lehilahy niavaka indrindra teto an-tany? Ahoana no amaritana hoe tena miavaka ny olona iray? Ny fahaizany ara-tafika ve? Sa ny tanjany? Sa ny fahiratan-tsainy? Sa ny modely nomeny sy ny vokatry ny zavatra nolazainy sy nataony eo amin’ny olona?

Mariho ny tenin’ny mpahay tantara, mpahay siansa, manam-pahaizana, mpanoratra, mpitondra fanjakana, ary ny olon-kafa, momba an’i Jesosy Kristy avy any Nazareta:

“Manakimpy ny masony ny olona tsy mino hoe i Jesosy avy any Nazareta no nanan-kery indrindra teo amin’ny fiainan’ny olona. Tsy nisy toa azy nandritra ireo 2 000 taona lasa, ary hatramin’izay mihitsy aza.”—Reynolds Price, mpanoratra amerikanina sady manam-pahaizana momba ny Baiboly.

“Tsy nanan-tsiny mihitsy izy, nefa nanolotra ny tenany ho sorona mba hahasoa ny hafa, anisan’izany ny fahavalony, ary nanome ny ainy hanavotana an’izao tontolo izao. Tena tsara ny zavatra nataony.”—Mohandas Gandhi, mpitondra fanjakana sady lehiben’ny Hindoa.

“Nianatra ny Baiboly sy ny Talmoda aho tamin’ny mbola kely. Jiosy aho, nefa tena nahafinaritra ahy iny Nazareanina iny, satria hitako hoe tena niavaka izy.”—Albert Einstein, mpahay siansa, teratany alemà.

“Heveriko fa i Jesosy Kristy no olona niavaka indrindra hatramin’izay, na tamin’ny naha Zanak’Andriamanitra azy izany, na tamin’ny naha Zanak’olombelona azy. Sarobidy amintsika ankehitriny izay rehetra nolazainy sy nataony. Tsy misy toa azy, na amin’ireo efa maty na amin’ireo mbola velona.”—Sholem Asch, mpanoratra, teratany poloney, gazety Mpanambara Vaovao Momba ny Finoana Kristianina; izy ireo no manao sora-mandry.

“Tsy nino na inona na inona aho tao anatin’ny 35 taona. Lasa nanam-pinoana anefa aho, dimy taona lasa izay. Lasa nino ny fampianaran’i Jesosy Kristy aho, ka nanjary niova be tampoka ny fiainako.”—Léon Tolstoï, mpanoratra sady filozofa rosianina.

Ny fiainan’i Jesosy “no nanan-kery indrindra teo amin’ny fiainan’ny olona teto an-tany, ary misy vokany amin’ny olona maro kokoa hatrany izany ankehitriny.”—Kenneth Latourette, mpahay tantara sady mpanoratra amerikanina.

“Tantara noforonina fotsiny ve ny tantaran’i Jesosy ao amin’ny Filazantsara? Tsy mitovy amin’ny tantara noforonina mihitsy izy io, ry sakaiza. Na ny tantaran’i Socrate, izay eken’ny olona fa marina aza, tsy voamarina tsara toy ny an’i Jesosy Kristy.”—Jean-Jacques Rousseau, filozofa frantsay.

Mendrika ny hatao modely tokoa i Jesosy Kristy. Nampirisika antsika ‘hibanjina tsara’ an’i Jesosy i Paoly, ilay lehilahy nahita fianarana tamin’ny taonjato voalohany, izay nofidin’i Jesosy ho mpanara-dia azy sy hanambara ny momba azy any amin’ny hafa firenena. (Hebreo 12:2; Asan’ny Apostoly 9:3) Ahoana no tokony hitondrantsika ny fiainantsika, araka ny nampianarin’i Jesosy? Ahoana no handraisantsika soa avy amin’ny modely nomeny?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara