Fomba 1
Tadidio fa Sarobidy Noho ny Vola sy Harena ny Olona
INONA NO AMPIANARIN’NY BAIBOLY? Ny ‘fitiavam-bola no anisan’ny fototr’izao karazan-javatra ratsy rehetra izao.’—1 Timoty 6:10.
INONA NO OLANA? Mampirisika antsika tsy ho afa-po amin’izay efa ananantsika ny mpanao dokam-barotra. Tiany hamono tena amin’ny asa isika mba hahazoana vola, hividianan-javatra vaovao sy tsara ary lehibe kokoa. Mety ho lasa tia vola isika satria manintona izy io. Mampitandrina toy izao anefa ny Baiboly, araka ny tenin’i Solomona Mpanjaka: “Izay tia volafotsy dia tsy ho afa-po amin’izay volafotsy ananany. Ary izay tia harena koa tsy ho afa-po amin’izay harena azony.”—Mpitoriteny 5:10.
INONA NO AZONAO ATAO? Tahafo i Jesosy, ka mianara mihevitra ny olona ho sarobidy noho ny fananana. Tia olona i Jesosy, ka vonona hamoy izay rehetra nananany, eny fa na dia ny ainy aza. (Jaona 15:13) Hoy izy: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” (Asan’ny Apostoly 20:35) Raha zatra mahafoy fotoana sy fananana ho an’ny hafa isika, dia hanampy antsika koa izy ireo. Hoy i Jesosy: “Aoka ianareo ho zatra manome dia mba homena koa ianareo.” (Lioka 6:38) Halahelo sy hijaly izay variana mikatsaka vola sy harena. (1 Timoty 6:9, 10) Tena ho afa-po kosa izay tia olona sady mahatsiaro hoe tiana.
Diniho àry raha azonao tsorina ny fiainanao. Azonao ahena ve, ohatra, ny zavatra anananao na tianao hovidina? Hanana fotoana sy hery hanaovana ny zava-dehibe kokoa ianao amin’izay, dia ny manampy olona sy manompo an’Andriamanitra. Izy mantsy no nanome izay rehetra anananao.—Matio 6:24; Asan’ny Apostoly 17:28.
[Sary, pejy 4]
“Aoka ianareo ho zatra manome dia mba homena koa ianareo”