FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w11 1/4 p. 3
  • Iza Marina moa i Jesosy Kristy?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Iza Marina moa i Jesosy Kristy?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Mitovitovy Aminy
  • Nazareta — ny tanàna niavian’ilay mpaminany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Iza i Jesosy Kristy?
    Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
  • Iza moa i Jesosy Kristy?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • Jesosy Kristy — nirahin’Andriamanitra ve?
    Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-Tany
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
w11 1/4 p. 3

Iza Marina moa i Jesosy Kristy?

“Rehefa niditra tao Jerosalema izy, dia nisahotaka ny iray tanàna, sady niteny hoe: ‘Fa iza io?’ Tsy nitsaha-niteny ny vahoaka hoe: ‘Io no Jesosy mpaminany, avy any Nazareta any Galilia!’ ” —MATIO 21:10, 11.

NAHOANA no nisahotaka ny olona rehefa tonga tany Jerosalema i Jesosy Kristy,a tamin’ny lohataonan’ny taona 33? Nandre ny momba azy sy ny fahagagana nataony ny maro tamin’izy ireo, ary niresaka foana momba izany tamin’ny hafa. (Jaona 12:17-19) Tsy fantatr’izy ireo anefa fa hisy akony maharitra eo amin’izao tontolo izao ny fisian’io lehilahy io.

Ireto misy ohatra mampiseho fa misy akony lehibe eo amin’ny tantaran’olombelona ny fisiany:

  • Miainga avy eo amin’ny taona heverina ho nahaterahan’i Jesosy ny kalandrie fampiasa any amin’ny tany maro.

  • Olona 2 000 tapitrisa eo ho eo, izany hoe tokotokony ho ny ampahatelon’ny olona eran-tany, no milaza fa Kristianina.

  • Ampianarin’ny Silamo, izay miisa 1 000 tapitrisa mahery eran-tany, fa “mpaminany lehibe noho i Abrahama sy Noa ary Mosesy” i Jesosy.

  • Maro tamin’ny tenin’i Jesosy no lasa fiteny andavanandro, saingy samy manana ny fomba ilazany azy fotsiny. Anisan’izany ny hoe:

    ‘Atodiho koa ny takolakao ilany.’—MATIO 5:39.

    “Mahasambatra kokoa ny manome.” —ASAN’NY APOSTOLY 20:35.

    “Tsy misy mahay manompo tompo roa.” —MATIO 6:24.

    ‘Hain’Andriamanitra ny zava-drehetra.’ —MARKA 10:27.

    ‘Izay tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy koa.’—MATIO 7:12.

    ‘Samaritanina tsara fanahy.’—LIOKA 10:33.

Tena nisy vokany tokoa àry ny fisian’i Jesosy. Samy hafa anefa ny zavatra inoan’ny olona momba azy. Mety hieritreritra àry ianao hoe: ‘Iza marina moa i Jesosy Kristy?’ Ny Baiboly ihany no milaza ny niaviany, ny zavatra nataony ary ny antony nahafatesany. Hisy vokany lehibe eo amin’ny fiainanao, ankehitriny sy amin’ny hoavy, ny fahalalanao an’ireo.

a Midika hoe “I Jehovah dia Famonjena” ny hoe “Jesosy”, anaran’io mpaminany avy any Nazareta io. Midika hoe “Voahosotra” ilay anaram-boninahitra hoe “Kristy.” Voahosotra na notendren’Andriamanitra ho amin’ny toerana manokana àry i Jesosy.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara