FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w11 1/9 p. 3
  • Iza no Mahatonga ny Faharatsiana?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Iza no Mahatonga ny Faharatsiana?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny Tsara Mifanandrina Amin’ny Ratsy — Ady Efa Hatramin’ny Ela
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Mbola ho Foana ve ny Habibiana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
  • Handresy ny Ratsy ve ny Tsara Indray Andro Any?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Inona no Mahatonga Antsika ho Tsara na ho Ratsy Toetra?
    Mifohaza!—2010
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
w11 1/9 p. 3

Iza no Mahatonga ny Faharatsiana?

“TOY ny nihaona tamin’ny devoly aho.” Izany no tenin’ny mpitari-tafiky ny Firenena Mikambana tany Rwanda. Tsy nahavita nampitsahatra ny fandripahana foko iray tany amin’io tany io mantsy izy ireo, tamin’ny 1994. Hoy koa ny lehilahy iray: “Andao hijery an’ilay lavaka feno fatin’olona be dia be any Rwanda izay tsy mino hoe misy i Satana.” Ny Devoly tokoa ve no nahatonga an’ireny habibiana ireny?

Mihevitra ny ankamaroan’ny olona hoe tsy anjely iray ratsy fanahy no mahatonga ny herisetra sy ny faharatsiana mahatsiravina. Maro no mieritreritra fa vokatry ny ratsy efa raiki-tampisaka ao anatin’ny olombelona izy ireny. Ny hafa indray milaza fa misy mpanankarena sy manam-pahefana maromaro eran-tany mifandray an-tsokosoko. Mitaona olona hanao izay tiany, hono, izy ireo nandritra ny am-polony taona maro mba hifehezana an’izao tontolo izao. Misy koa manakiana ny mpitondra fanjakana, ka milaza fa ireo no rangory fototry ny afo mahatonga ny tsy rariny sy ny fijaliana.

Ary ahoana ny hevitrao? Nahoana no miely be eran-tany ny faharatsiana, loza, habibiana, ary fijaliana, nefa efa maro ny ezaka natao hanafoanana an’ireo? Nahoana ny olona no tsy miraharaha ny vokatry ny zavatra ataony fa mbola mirohotra manao ratsy ihany? Iza no mahatonga ny faharatsiana? Iza marina no mitondra an’izao tontolo izao? Mety hahagaga anao ny valin’izany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara