Manova Olona ny Baiboly
INONA no nataon’ny vehivavy iray mba hampisy dikany ny fiainany, nefa nijaly be izy tamin’ny mbola kely? Inona no nahatonga ny mpikomy iray nahery setra ho lasa mpitory tia fihavanana? Vakio ato ny tantaran’izy ireo.
“Tena naniry ny hotiavina aho.”—INNA LEZHNINA
TERAKA: 1981
FIRENENA: ROSIA
FIAINANY TALOHA: NIJALY BE TAMIN’NY MBOLA KELY
NY FIAINAKO TALOHA: Vao teraka aho dia efa marenina, ary marenina koa ny ray aman-dreniko. Nahafinaritra ny fiainako hatramin’izaho enin-taona. Nisaraka i Dada sy Neny avy eo. Mbola tena kely aho, nefa efa fantatro ny dikan’ny hoe misara-panambadiana, ary tena nampalahelo be ahy izany. Nijanona tany Troitsk i Dada sy ny zokiko lahy taorian’izay, fa i Neny kosa nifindra tany Tcheliabinsk, ary nentiny niaraka taminy aho. Nanambady indray i Neny tatỳ aoriana. Mamo lava ilay raikeliko, ary matetika izy no namono anay sy Neny.
Maty an-drano ilay zokiko lahy, tamin’ny 1993. Tena mafy taminay mianakavy izany. Lasa nisotro toaka i Neny, ary niara-nampijaly ahy izy sy ilay raikeliko. Nanomboka nitady fiainana tsara kokoa aho. Tena naniry ny hotiavina aho. Nandeha niangona tany amin’ny fivavahana samy hafa aho mba hahitako fampiononana, saingy tsy nahita mihitsy.
NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO: Tamin’izaho 13 taona, dia niresaka tantara avy ao amin’ny Baiboly tamiko ny mpiara-mianatra iray Vavolombelon’i Jehovah. Tiako, ohatra, ny tantaran’i Noa sy Joba, izay nanompo an’Andriamanitra na dia nijaly aza. Nianatra Baiboly aho tsy ela taorian’izay, ary nivory niaraka tamin’ny Vavolombelona.
Lasa nahafantatra zavatra maro aho noho ny fianarako Baiboly. Faly aho nahalala fa manana anarana Andriamanitra. (Salamo 83:18) Nampiaiky ahy koa ny nahita hoe marina izay nolazain’ny Baiboly momba ny fiainana amin’ny “andro farany.” (2 Timoty 3:1-5) Faly koa aho nahafantatra fa mbola hitsangana ny maty, ka hahita an’ilay anadahiko indray aho.—Jaona 5:28, 29.
Tsy ny rehetra anefa no faly nahita ahy nianatra. Tena nankahala Vavolombelon’i Jehovah i Neny sy ilay raikeliko. Nataon’izy ireo izay tsy hianarako Baiboly intsony. Tiako anefa izay nianarako, ka tsy nanaiky hijanona mihitsy aho.
Tsy mora ny niatrika ny fanoheran’ny fianakaviako. Nisy zava-doza nitranga indray anefa. Maty an-drano koa ny zandriko lahy, izay efa niaraka tamiko nivory tany amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanohana ahy foana anefa ireo Vavolombelona. Nahazo an’ilay fitiavana niriko hatramin’izay aho teo anivon’izy ireo. Nino aho fa ny fivavahan’izy ireo no marina. Natao batisa aho tamin’ny 1996, ka lasa Vavolombelon’i Jehovah.
NY SOA NORAISIKO: Nanambady an’i Dmitry aho, efa enin-taona izao, ary tena mahafinaritra izy. Manompo ao amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Saint-Pétersbourg izahay mivady. Tsy dia nanohitra intsony ny ray aman-dreniko, rehefa nandeha ny fotoana.
Tena faly aho nahalala an’i Jehovah! Lasa misy dikany ny fiainako, noho izaho manompo azy.
“Nisy fanontaniana maro nampikorontana ny saiko.”—RAUDEL RODRÍGUEZ RODRÍGUEZ
TERAKA: 1959
FIRENENA: CUBA
FIAINANY TALOHA: MPIKOMY TAMIN’NY FITONDRANA
NY FIAINAKO TALOHA: Tao La Havane, any Cuba, aho no teraka. Nihalehibe tao amin’ny faritra nahantra aho, ary efa nahazatra ny nahita olona miady eny an-dalana. Nanjary liana tamin’ny judo sy ny haiady hafa aho rehefa nihalehibe.
Nahay aho tany am-pianarana, ka nampirisika ahy hianatra tany amin’ny oniversite ny ray aman-dreniko. Lasa nieritreritra aho rehefa nianatra tany fa nila novana ny rafitra politikan’i Cuba. Nanomboka nikomy àry aho. Nanafika polisy iray izaho sy ny mpiara-mianatra tamiko, satria tianay halaina ny basiny. Naratra be ny lohan’ilay polisy tamin’izay. Nogadraina izaho sy ilay mpiara-mianatra tamiko. Voaheloka ho faty izahay, ka antokona mpitifitra no hamono anay. Vao 20 taona aho tamin’izay, kanefa ho faty sahady!
Rehefa irery tao am-pigadrana aho, dia nieritreritra izay hataoko rehefa hotifirina. Tsy tiako ho hita mantsy hoe natahotra aho. Nisy fanontaniana maro nampikorontana ny saiko anefa. Nieritreritra aho hoe: ‘Nahoana no be dia be ny tsy rariny? Izao ihany ve no fiainana?’
NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO: Novana ny sazinay tamin’ny farany, ka lasa voaheloka higadra 30 taona izahay. Tamin’izay aho no nihaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah sasany, izay nigadra noho ny finoany. Nampiaiky ahy izy ireo, satria be herim-po nefa tia fihavanana koa. Tsy tezitra na naniry hamaly faty izy ireo, na dia nogadraina tsy ara-drariny aza.
Nampianarin’ireo Vavolombelona ahy fa manana fikasana tsara ho an’ny olombelona Andriamanitra. Nasehon’izy ireo ahy tao amin’ny Baiboly fa hovana ho paradisa ny tany, ary tsy hisy intsony ny heloka bevava sy ny tsy rariny. Nampianarin’izy ireo ahy koa fa ho feno olona tsara fanahy ny tany, ary ho afaka hiaina mandrakizay ao amin’ny tontolo tonga lafatra izy ireo.—Salamo 37:29.
Tiako ny zavatra nianarako tamin’ny Vavolombelona, saingy tena nifanohitra tamin’ny an’izy ireo ny toetrako. Nihevitra aho fa tsy ho vitako mihitsy izany tsy hitsabaka amin’ny politika izany, na koa hoe tsy hamaly faty. Nanapa-kevitra àry aho fa hamaky Baiboly samirery. Rehefa vitako izany, dia hitako fa ny Vavolombelon’i Jehovah ihany no manao toa an’ireo Kristianina voalohany.
Fantatro avy tamin’ny fianarako Baiboly fa nila nanao fiovana lehibe aho. Nila nohatsaraiko, ohatra, ny fomba fiteniko, satria zatra niteny ratsy aho. Nila niala tamin’ny sigara koa aho. Tsy tokony hiandany amin’iza na iza intsony aho rehefa misy adihevitra ara-politika. Tsy mora ny nanao an’ireo fiovana ireo, kanefa vitako tsikelikely izany noho ny fanampian’i Jehovah.
Anisan’ny sarotra indrindra tamiko ny nifehy tena rehefa tezitra. Mbola mivavaka aza aho hatramin’izao mba hahay hifehy tena. Nanampy be ahy ny andinin-teny toy ny Ohabolana 16:32, manao hoe: “Aleo olona tsy mora tezitra toy izay lehilahy matanjaka, ary aleo olona mahafehy tena toy izay olona mahazo tanàna ho babo.”
Natao batisa aho tamin’ny 1991, ka lasa Vavolombelon’i Jehovah. Tao anaty barìka tany am-ponja izany no natao. Nafahana ny sasany taminay, herintaona tatỳ aoriana, ary nalefa teto Espaina satria nanana fianakaviana teto. Vao tonga teto aho, dia nanatrika ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nandray tsara ahy toy ny hoe efa nahalala ahy hatramin’izay ireo Vavolombelona. Nampian’izy ireo koa aho mba hanomboka fiainana vaovao indray.
NY SOA NORAISIKO: Sambatra aho izao manompo an’Andriamanitra miaraka amin’ny vadiko sy ireo zanakay vavy. Faly aho mandany ny fotoanako hanampiana ny hafa hianatra Baiboly. Mieritreritra an’izay nitranga tamin’izaho hovonoina aho indraindray, ka faly fa nandray soa be dia be nanomboka teo. Tsy hoe velona fotsiny aho mantsy izao, fa manana fanantenana koa. Tsy andriko ny hahatongavan’ny Paradisa, ka amin’izay dia hanjaka ny rariny ary ‘tsy hisy intsony ny fahafatesana.’—Apokalypsy 21:3, 4.
[Teny notsongaina, pejy 19]
“Faly aho nahalala fa manana anarana Andriamanitra”
[Sary, pejy 20]
Faly izahay mivady mampiasa DVD misy an’ireo boky sy gazety amin’ny tenin’ny tanana, mba hitoriana amin’ny marenina