FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w12 1/2 p. 3-5
  • Inona ny Hevitry ny Olona Momba ny Hara-magedona?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona ny Hevitry ny Olona Momba ny Hara-magedona?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona no Atao hoe Ady Aramagedona?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Hara-Magedona hafa noho ireo hevitra voaray
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Haramagedona — Rahoviana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Fara Andro Mahatsiravina ve ny Hara-magedona?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
w12 1/2 p. 3-5

Inona ny Hevitry ny Olona Momba ny Hara-magedona?

“Ary nangonin’izany fanambarana izany ho amin’ilay toerana antsoina amin’ny teny hebreo hoe Hara-magedona ireo.”—APOKALYPSY 16:16.

INONA no tonga ao an-tsainao rehefa mandre hoe “Hara-magedona”? Loza lehibe iray angamba. Indray mandeha monja io teny io no hita ao amin’ny Baiboly. Miresaka azy io matetika anefa ny fampitam-baovao sy ny mpitondra fivavahana.

Mitovy amin’izay lazain’ny Baiboly ve ny hevitry ny olona momba ny Hara-magedona? Tokony ho fantatrao mantsy ny marina momba azy io, satria hahatonga anao tsy hatahotra azy io intsony izany. Hanjary hanantena hoavy mahafinaritra koa ianao, ary hiova ny fiheveranao an’Andriamanitra.

Diniho àry ireto fanontaniana telo ireto, ary ampitahao amin’izay lazain’ny Baiboly ny hevitry ny olona momba ny Hara-magedona.

1. LOZA AVY AMIN’NY OLOMBELONA VE NY HARA-MAGEDONA?

Matetika ny mpanao gazety sy ny mpikaroka no mampiasa ny teny hoe “Hara-magedona”, mba hilazana ny loza ataon’ny olombelona. Nantsoina hoe Hara-magedona, ohatra, ny Ady Lehibe I sy II. Taorian’ireo ady ireo, dia natahotra ny olona sao hifamely amin’ny fitaovam-piadiana niokleary i Etazonia sy ny Firaisana Sovietika. Rehefa niresaka an’izany ny fampitam-baovao, dia nantsoiny hoe Hara-magedona ilay izy. Hitan’ny mpikaroka koa ankehitriny fa mihamaloto foana ny tontolo iainana ka misy vokany amin’ny toetrandro izany. Milaza izy ireo fa tsy ho ela dia hisy “Hara-magedona”, izany hoe hikorontana be ny toetrandro.

Ny hevitry ny olona: Miankina tanteraka amin’ny olombelona ny hoavin’ny tany sy ny zavamananaina rehetra. Raha tsy mahay ny fanjakana, dia ho potika tanteraka ny tany.

Ny hevitry ny Baiboly: Tsy havelan’Andriamanitra hosimban’ny olona tanteraka ny tany. Milaza mantsy ny Baiboly fa tsy hoe “tsy misy antony” akory ny namoronan’i Jehovaha ny tany, fa “nataony honenana.” (Isaia 45:18) “Izay manimba ny tany” kosa aza no horinganiny.—Apokalypsy 11:18.

2. LOZA VOAJANAHARY VE NY HARA-MAGEDONA?

“Hara-magedona” indraindray no iantsoan’ny mpanao gazety ny loza voajanahary. Nilaza, ohatra, ny tatitra iray tamin’ny 2010 fa nisy “ ‘Hara-magedona’ tany Haïti.” Nisy horohoron-tany mantsy nandravarava an’io tany io, ka be dia be ny olona nijaly sy maty ary betsaka ny zavatra simba. Tsy ny loza efa nitranga ihany anefa no lazain’ny mpanao gazety sy mpanao filma hoe “Hara-magedona”, fa izay loza eritreretin’izy ireo fa mbola hitranga koa. Io teny io, ohatra, no ilazany ny loza mety hitranga raha mifandona ny tany sy ny planeta hafa.

Ny hevitry ny olona: Zavatra kisendrasendra ny Hara-magedona, ka mandripaka ny olona tsy an-kanavaka, eny fa na dia ny tsy manan-tsiny aza. Tsy misy azonao atao mihitsy amin’izany mba hiarovanao ny tenanao.

Ny hevitry ny Baiboly: Tsy zavatra kisendrasendra handripaka ny olona tsy an-kanavaka akory ny Hara-magedona. Ny ratsy fanahy ihany no ho ringana rehefa tonga izy io. Hoy ny Salamo 37:10: “Rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy intsony ny ratsy fanahy. Handinika an’izay nisy azy ianao, nefa tsy ho eo intsony izy.”

3. HOPOTEHIN’ANDRIAMANITRA VE NY TANY AMIN’NY HARA-MAGEDONA?

Mpivavaka maro no mino fa hifanandrina faramparany ny tsara sy ny ratsy, ka ho potika ny tany. Nanontany ny hevitry ny olona tany Etazonia, ohatra, ny Fikambanana Mpanao Fanadihadiana any Princeton. Ny 40 isan-jaton’izy ireo no mino fa ho potika ny tany amin’ny “ady Hara-magedona.”

Ny hevitry ny olona: Tsy natao hiaina mandrakizay eto an-tany ny olona, ary tsy natao haharitra mandrakizay koa ny tany. Rehefa namorona ny olombelona Andriamanitra, dia efa nikasa hoe ho faty izy ireo rehefa tonga ny androny.

Ny hevitry ny Baiboly: Milaza ny Salamo 104:5 fa ‘naorin’Andriamanitra ny tany, ary nataony mafy orina ny fototra iorenany, ka tsy ho voahozongozona mandrakizay doria.’ Hoy koa ny Salamo 37:29: “Ny olo-marina no handova ny tany, ka honina eo mandrakizay.”

Hita avy amin’izany fa tsy mitovy amin’izay lazain’ny Baiboly ny hevitry ny olona momba ny Hara-magedona. Inona àry no tena marina?

[Fanamarihana ambany pejy]

a Jehovah no anaran’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara