FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w12 1/3 p. 5
  • “Tsy Anisan’izao Tontolo Izao”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Tsy Anisan’izao Tontolo Izao”
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny Kristiana sy ny Tany Ama-monina Amin’izao Andro Izao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny Famonoana Tambabe: Inona no Lazain’ny Baiboly?
    Foto-kevitra Hafa
  • Nahoana no Navelan’Andriamanitra Hamono Olona Tambabe ny Nazia?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • “Tsy Naman’izao Tontolo Izao”
    Mivavaha Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
w12 1/3 p. 5

“Tsy Anisan’izao Tontolo Izao”

‘Halan’izao tontolo izao izy ireo, satria tsy anisan’izao tontolo izao.’—JAONA 17:14.

Inona no dikan’izany? Toa an’i Jesosy, dia tsy miady na miditra amin’ny politika ny Kristianina, satria tsy anisan’izao tontolo izao. Hoy mantsy i Jesosy: “Raha anisan’ity tontolo ity ny fanjakako, dia ho niady ny oloko mba tsy ho natolotra tamin’ny Jiosy aho. Tsy avy amin’izany anefa ny fanjakako.” (Jaona 18:36) Nampirisika ny mpanara-dia azy koa i Jesosy mba tsy hitovy fomba fiteny amin’ity tontolo ity na hanana toe-tsaina sy fitondran-tena raran’ny Baiboly.—Matio 20:25-27.

Nanao izany ve ny Kristianina voalohany? Hoy i Jonathan Dymond, mpanoratra: ‘Tsy nety nandeha niady ny Kristianina voalohany na inona na inona vokany, na halam-baraka izy, na hogadraina, na hovonoina ho faty.’ Naleon’izy ireo nampijalina toy izay hanaiky hiady. Niavaka koa izy ireo satria tsara fitondran-tena. Hoy i Petera tamin’izy ireo: “Satria tsy miara-mihazakazaka aminy intsony ho amin’izany honahonan’ny filibana izany ianareo, dia very hevitra izy ka manevateva anareo tsy misy farany.” (1 Petera 4:4) Nilaza i Will Durant, mpahay tantara, fa ‘tia fivavahana sy tsara fitondran-tena ny Kristianina ka nahasosotra an’ireo mpanompo sampy tia fahafinaretana loatra.’

Iza no manaraka ny tenin’i Jesosy ankehitriny? Betsaka ny fivavahana mihevitra fa tokony handray anjara amin’ny ady ny Kristianina. Hoy, ohatra, ny Rakipahalalana Katolika Vaovao: “Diso mihitsy ny olona iray raha tsy mandeha miady satria hoe tsy eken’ny eritreriny izany.” Nisy tatitra koa nataon’ny fikambanana iray momba ny zon’olombelona. Voalaza tao fa nisy fandripahana foko tany Rwanda, tamin’ny 1994. Nandray anjara tamin’izany ny fivavahana rehetra, “afa-tsy ny Vavolombelon’i Jehovah.”

Hoy koa ny mpampianatra iray, momba an’ilay Famonoana Tambabe nataon’ny Nazia: “Aiza ve ka dia tsy nisy mihitsy fikambanana sahy nampibaribary ny lainga fanaon’izy ireo na nanohitra ny habibiana sy famonoana nahatsiravina nataony!” Faly anefa izy rehefa avy nitsidika tranombakoka iray. Hitany tany mantsy fa tsy nilefitra mihitsy tamin’ny zavatra ninoany ny Vavolombelon’i Jehovah, na dia nampijalin’ny Nazia aza.

Ary iza amin’izao no tsara fitondran-tena? Hoy ny gazety Katolika Amerikanina: “Tsy manaraka ny fampianaran’ny eglizy ny ankamaroan’ny tanora katolika, ka manao tokantranomaso sy firaisana alohan’ny fanambadiana.” Voalaza ao koa ny tenin’ny diakona iray hoe: “Ny antsasany mahery amin’ny olona atao mariazy no efa niray trano.” Milaza kosa Ny Rakipahalalana Britannica Vaovao (anglisy) fa ‘zava-dehibe amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fitsipiky ny Baiboly momba ny fitondran-tena, ka tena harahiny tsara izany.’

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara