FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w12 1/5 p. 32
  • “Arovy ny Fonao!”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Arovy ny Fonao!”
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
w12 1/5 p. 32

“Arovy ny Fonao!”

Fivoriamben’ny Vondrom-paritry ny Vavolombelon’i Jehovah

FOTO-KEVITRA ZOMA

‘Mijery ny Fo i Jehovah’—1 SAMOELA 16:7.

FOTO-KEVITRA ASABOTSY

“Izay Mameno ny Fon’ny Olona no Lazain’ny Vavany”—MATIO 12:34.

FOTO-KEVITRA ALAHADY

‘Manompoa An’i Jehovah Amin’ny Fo Manontolo’—1 TANTARA 28:9.

Imbetsaka ny Baiboly no miresaka momba ny fo. Tsy fo ara-bakiteny anefa matetika no tiany horesahina, fa ny maha izy ny olona iray mihitsy. Anisan’izany ny faniriany sy ny eritreriny ary ny fihetseham-pony.

Nahoana àry isika no tokony hiaro ny fontsika? Nasain’Andriamanitra hanoratra an’izao i Solomona Mpanjaka: “Arovy ny fonao, mihoatra noho izay rehetra tokony harovana, fa avy ao aminy ny loharanon’aina.” (Ohabolana 4:23) Misy vokany eo amin’ny fiainantsika amin’izao sy amin’ny hoavy ny fontsika. Mijery ny fontsika mantsy Andriamanitra. (1 Samoela 16:7) Arakaraka ny fontsika na ny toetrantsika no itiavan’i Jehovah antsika na tsia.—1 Petera 3:4.

Ahoana àry no hiarovantsika ny fontsika? Hodinihina amin’ny an-tsipiriany any amin’ny fivoriambe ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany izany. Manomboka amin’ity volana ity ilay fivoriambe, ary haharitra telo andro.a Asainay ianao ho tonga mandritra ny telo andro satria hanampy anao hampifaly an’i Jehovah Andriamanitra ny zavatra hianaranao any.—Ohabolana 27:11.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Jereo ny www.pr2711.com raha te hahafantatra ny fivoriambe any akaikinareo ianao. Azonao atao koa anefa ny miresaka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah eny akaikinareo na manoratra any amin’ny mpamoaka an’ity gazety ity.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 32]

Aus dem Fundus der MÜNCHNER OLYMPIAPARK GMBH, München

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara