FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w13 1/6 p. 14-15
  • Inona no Ianarantsika avy Amin’ny Jiolahy Iray?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no Ianarantsika avy Amin’ny Jiolahy Iray?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
  • Mitovitovy Aminy
  • “Hiaraka Amiko any Amin’ny Paradisa Ianao”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2022
  • Iza avy no Hatsangana Amin’ny Maty? Aiza Izy Ireo no Hipetraka?
    Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe
  • “Any Amin’ny Paradisa Mihaona E!”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2018
  • “Hiaraka Amiko ao Amin’ny Paradisa Ianao”
    Henoy Ilay Mpampianatra Lehibe
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
w13 1/6 p. 14-15

AMPIANARO NY ZANAKAO

Inona no Ianarantsika avy Amin’ny Jiolahy Iray?

Ilay jiolahy iresahan’i Jesosy eo amin’ny sary no tiantsika holazaina. Nanenina tamin’ny ratsy nataony izy, ka niangavy an’i Jesosy hoe: “Tsarovy aho rehefa tonga any amin’ny fanjakanao ianao.” Fantatrao ve ny tenin’i Jesosy taminy?...a Nampanantena azy i Jesosy hoe: “Lazaiko aminao marina tokoa anio fa hiaraka amiko any amin’ny Paradisa ianao.”

Hoatran’ny ahoana izany Paradisa izany, araka ny hevitrao?... Andao aloha isika hiresaka an’ilay Paradisa nataon’Andriamanitra ho an’i Adama sy Eva, mba ho haintsika tsara ny valin’izany. Taiza io Paradisa io? Tany an-danitra sa teto an-tany?...

Teto an-tany ilay izy. Raha ho ao amin’ny “Paradisa” àry ilay jiolahy, dia midika izany fa ho eto an-tany izy rehefa ho lasa paradisa ny tany. Hoatran’ny ahoana izany Paradisa izany?...

Milaza ny Baiboly hoe rehefa avy noforonin’i Jehovah Andriamanitra i Adama sy Eva, ilay mpivady voalohany, dia nataony tao amin’ny paradisa teto an-tany. Nantsoina hoe “zaridaina tao Edena” izy io. Hainao ve hoe hoatran’ny ahoana ny hatsaran’izany “zaridaina tao Edena” izany?... Mbola tsy nisy nahita toerana tsara tarehy hoatr’izany mihitsy!

Ho tonga eto an-tany ve izany i Jesosy dia hiaraka amin’io jiolahy nibebaka io?... Tsy izany mihitsy. Any an-danitra mantsy i Jesosy, ary ho Mpanjaka hitondra ny tany paradisa izy amin’izay. Toy ny hoe hiaraka amin’ilay jiolahy àry izy, rehefa hanangana azy amin’ny maty sy hanao izay hahazoany ny zavatra ilainy. Fa nahoana no avelan’i Jesosy hiaina ao amin’ny Paradisa io lehilahy io nefa izy jiolahy?...

Marina fa nanao zavatra tena ratsy io jiolahy io. Olona an’arivony tapitrisa koa no nanao hoatr’izany teto an-tany, tamin’izy ireo mbola velona. Tsy nahalala an’i Jehovah sy ny fitsipiny mihitsy anefa ny ankamaroany, ka izany no nahatonga azy nanao ratsy.

Hatsangana amin’ny maty sy hiaina ao amin’ny Paradisa eto an-tany àry ireny olona ireny sy ilay jiolahy niresahan’i Jesosy. Hampianarina ny sitrapon’Andriamanitra izy ireo, mba ho afaka hanaporofo hoe tia azy.

Fantatrao ve hoe ahoana no hanaovan’izy ireo an’izany?...Tia an’i Jehovah izy ireo raha manao izay asainy hatao. Tena hahafinaritra mihitsy izany hoe hiaina ao amin’ny Paradisa izany ary olona mifankatia sy tia an’i Jehovah daholo no hiaina ao!

Vakio ny

  • Lioka 23:32-43

  • Genesisy 2:7-9

  • Apokalypsy 21:3-5

a Raha mamaky miaraka amin’ny ankizy ianao, dia tokony hiato sy hampirisika azy hilaza ny heviny, rehefa mahita teboka telo toa an’io.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara