FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w14 1/2 p. 16
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
  • Mitovitovy Aminy
  • Tena avy Amin’Andriamanitra ve ny Vaovao Tsara ao Amin’ny Baiboly?
    Vaovao Tsara Natao ho Anao!
  • Boky avy Amin’Andriamanitra ny Baiboly
    Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly?
  • Avy amin’Andriamanitra marina tokoa ve ny Baiboly?
    Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-Tany
  • Ahoana no Fiheveranao ny Baiboly?
    Ahoana no Fiheveranao ny Baiboly?
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
w14 1/2 p. 16
[Sary, pejy 16]

VALIN’IREO FANONTANIANA ARA-BAIBOLY

Tena Tenin’Andriamanitra ve ny Baiboly?

Mihevitra angamba ianao fa tokony hiavaka amin’ny boky hafa ny Tenin’Andriamanitra. Hoatran’izany mihitsy ny Baiboly. An’arivony tapitrisa amin’izy io no efa natao pirinty amin’ny fiteny an-jatony. Afaka manova olona koa ny torohevitra feno fahendrena raketiny.—Vakio ny 1 Tesalonianina 2:13; 2 Timoty 3:16.

Avy amin’Andriamanitra ny Baiboly satria marina tsara ny zavatra resahiny momba ny hoavy. Tsy misy olona mahavita an’izany. Diniho, ohatra, ny bokin’i Isaia. Nisy dika mitovy tamin’izy io hita tao amin’ny lava-bato iray tany akaikin’ny Ranomasina Maty. Zato taona talohan’ny nahaterahan’i Jesosy no nahavitana azy io. Voalaza ao fa ho lasa tanàna aolo i Babylona. Tanteraka izany taona maro taorian’ny nanompoan’i Jesosy tetỳ an-tany.—Vakio ny Isaia 13:19, 20; 2 Petera 1:20, 21.

Ahoana no nanoratana ny Baiboly?

Nosoratana nandritra ny 1 600 taona teo ho eo ny Baiboly. Olona 40 teo ho eo no nanoratra azy io, nefa tsy mifanohitra ny zavatra nosoratan’izy ireo fa mifandray amin’ny loha hevitra iray ihany. Ahoana no nahatonga an’izany? Nahazo ny tari-dalan’Andriamanitra izy ireo.—Vakio ny 2 Samoela 23:2.

Nampiasa anjely, na fahitana, na nofy Andriamanitra rehefa niresaka tamin’ireo mpanoratra Baiboly. Matetika koa no ataon’Andriamanitra ao an-tsain’ireo mpanoratra ny heviny, ary izy ireo no avelany hifidy izay fomba hamoahany an’ilay hafatra.—Vakio ny Apokalypsy 1:1; 21:3-5.

Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? toko 2, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Azo alaina ao amin’ny www.pr2711.com/mg io boky io

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara