FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w14 1/7 p. 3
  • Be Loatra ny Faharatsiana!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Be Loatra ny Faharatsiana!
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
  • Mitovitovy Aminy
  • Nahoana ny Tsara Fanahy no Mijaly?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
  • Nahoana no Avelan’Andriamanitra Hisy ny Faharatsiana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
  • Nahoana Andriamanitra no Mamela Antsika Hijaly?
    Mifohaza!—2004
  • Andriamanitra ve no Mahatonga Antsika Hijaly?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
w14 1/7 p. 3

MATOAN-DAHATSORATRA | NAHOANA NY TSARA FANAHY NO MIJALY?

Be Loatra ny Faharatsiana!

Nalaza ho tia olona sy tsara fanahy i Smita,a vehivavy 35 taona tany Dacca any Bangladesy. Olona nazoto niasa sy falifaly lava no nahafantarana azy. Tia nanampy olona hahalala an’Andriamanitra koa izy. Maty anefa izy. Hoatran’ny nilatsaham-baratra ny fianakaviany sy ny namany nony nandre izany. Tsy ampy herinandro akory mantsy ny naharariany.

Tsara laza koa i James sy ny vadiny, izay 30 taona mahery. Niala tany New York izy ireo, indray mandeha, mba hitsidika ny namany tany amin’ny morontsiraka andrefan’i Etazonia. Indrisy anefa fa tsy tafody intsony izy mivady. Tratran’ny lozam-piarakodia mantsy izy ireo ka maty tsy tra-drano. Nahatsiaro ho banga tanteraka ny fianakaviany sy ny namany ary ny mpiara-miasa taminy.

Be loatra ny faharatsiana na aiza na aiza. Samy matin’ny ady na ny olon-tsotra na ny miaramila. Maro ny tsy manan-tsiny iharan’ny heloka bevava sy ny herisetra. Tsy mifidy taona na fari-piainana ny loza sy ny aretina, fa mitondra faisana daholo izay azony. Mandravarava koa ny loza voajanahary. Miely be ny fanavakavaham-bolon-koditra sy ny tsy rariny, ary mety ho efa niharan’izany mihitsy ianao.

Ara-dalàna ianao raha mieritreritra hoe:

  • Fa maninona àry ny tsara fanahy no mijaly?

  • Andriamanitra ve no mahatonga an’izany?

  • Kisendrasendra ve ireny loza ireny, sa vokatry ny nataon’ny olona ihany?

  • Sao dia ny zavatra nataon’ilay olona tamin’ny fiainany taloha (na Karma)b àry no mahatonga izany?

  • Raha tena misy Andriamanitra ary izy no mahery indrindra, maninona no tsy arovany amin’ny ratsy ny tsara fanahy?

  • Tsy hisy intsony ve ny fijaliana indray andro any?

Tsy ho haintsika ny valin’izany raha tsy fantatsika ny valin’ireto: Nahoana no misy ny faharatsiana? Inona no hataon’Andriamanitra amin’izany?

a Novana ireo anarana.

b Ny Hindoa no mino an’ilay hoe Karma. Rehefa maty, hono, ny olona dia mifindra amin’ny vatana hafa ny fanahiny, ka arakaraka izay nataony tamin’ny fiainany teo aloha no ho fiainany manaraka.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara