FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w14 1/7 p. 16
  • Fanontaniana Ara-baiboly

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontaniana Ara-baiboly
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
  • Mitovitovy Aminy
  • Manatòna An’Andriamanitra Amin’ny Vavaka
    Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika?
  • Sambatra Isika fa Afaka Mivavaka
    Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly?
  • Manampy Anao ho Akaiky An’Andriamanitra ny Vavaka
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
  • Mampianatra Antsika Hivavaka i Jesosy
    Henoy Ilay Mpampianatra Lehibe
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
w14 1/7 p. 16

VALIN’IREO FANONTANIANA ARA-BAIBOLY

Nahoana isika no tokony hivavaka?

Tena tian’i Jehovah Andriamanitra raha resahintsika aminy foana izay manahirana antsika. (Lioka 18:1-7) Mihaino vavaka izy satria mitady izay hahasoa antsika. Manasa antsika hivavaka aminy mihitsy aza ilay Raintsika any an-danitra. Nahoana àry raha mba miresaka aminy?—Vakio ny Filipianina 4:6.

Tsy fomba hitadiavana fanampiana amin’Andriamanitra fotsiny anefa ny vavaka. Manampy antsika hifandray tsara aminy koa izy io. (Salamo 8:3, 4) Lasa mpinamana be aminy isika raha resahintsika aminy foana izay ao am-pontsika.—Vakio ny Jakoba 4:8.

Ahoana no tokony hatao rehefa mivavaka?

Tsy mila tia sehoseho na manao tsianjery isika rehefa mivavaka, satria tsy tian’Andriamanitra izany. Tsy misy fihetsika takiny amintsika koa. Tian’i Jehovah kosa isika raha mivavaka amin’ny fo. (Matio 6:7) Nivavaka momba ny olana tao an-tranony, ohatra, i Hana tany Israely fahiny. Vavaka fisaorana kosa no nataony, tatỳ aoriana, rehefa nisinda ny fahoriany.—Vakio ny 1 Samoela 1:10, 12, 13, 26, 27; 2:1.

Manana tombontsoa be isika, satria azontsika resahina amin’ilay Mpamorona foana izay manahirana antsika. Afaka midera sy misaotra azy koa anefa isika noho izay nataony. Tsy tokony hataontsika tsirambina mihitsy àry io tombontsoa sarobidy io.—Vakio ny Salamo 145:14-16.

Raha mila fanazavana fanampiny momba ny fitsanganana amin’ny maty, dia jereo ny toko 17 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Misy azy koa ao amin’ny www.pr2711.com/mg io boky io

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara