FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w14 1/8 p. 3
  • Misy Dikany Amin’Andriamanitra ve Ianao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Misy Dikany Amin’Andriamanitra ve Ianao?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
  • Mitovitovy Aminy
  • “Ampionòny ny Oloko”
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
  • ‘Mitandrema Mafimafy Kokoa’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
  • Afaka ny ho Naman’Andriamanitra ve Aho?
    Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Faha-2
  • Ahoana no Ahafahako Mampifantoka ny Saiko?
    Mifohaza!—1998
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
w14 1/8 p. 3

MATOAN-DAHATSORATRA | SAROBIDY AMIN’ANDRIAMANITRA VE IANAO?

Misy Dikany Amin’Andriamanitra ve Ianao?

“Ory sy mahantra aho. Mihevitra ahy i Jehovah.”a—DAVIDA, TANY ISRAELY FAHINY.

[Sary, pejy 3]

“Toy ny rano indray mitete avy amin’ny siny ireo firenena.” —ISAIA 40:15

Nieritreritra i Davida hoe nihevitra azy Andriamanitra. Tena tokony ho nanantena an’izany ve izy? Mihevitra anao koa ve Andriamanitra? Maro no mieritreritra hoe tsy misy dikany amin’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra izy ireo. Nahoana?

Fantatr’izy ireo fa tena faran’izay ambony Andriamanitra raha oharina amin’ny olombelona. “Toy ny rano indray mitete avy amin’ny siny” no fahitan’Andriamanitra an’ireo firenena, ary “toy ny vovoka manify eo amin’ny mizana no fiheverana azy.” (Isaia 40:15) Nilaza aza ny mpanoratra iray fa “ny olona mieboebo no mihevitra hoe liana amin’izay ataony Andriamanitra.”

Misy indray mieritreritra hoe tsy misy dikany amin’Andriamanitra izy noho ny zavatra ataony. Hoy, ohatra, i Jim, lehilahy efa zokinjokiny: “Nivavaka foana aho mba ho tony sy hahay hifehy tena, nefa mbola tsy nahafehy ny hatezerako ihany. Nieritreritra àry aho hoe ‘angamba ity izaho ity efa mpanota matevin-koditra mihitsy ka tsy azon’Andriamanitra ovana intsony.’ ”

Tena lavitra ny olombelona tokoa ve Andriamanitra ka tsy miraharaha azy ireo? Ahoana no tena fiheverany ny olona tsy lavorary? Andriamanitra ihany no mahavaly an’izany. Manome toky antsika ny Teniny, dia ny Baiboly, fa “tsy lavitra antsika tsirairay izy”, ary tena mitady izay hahasoa antsika manokana. (Asan’ny Apostoly 17:27) Ahoana no anaporofoany an’izany? Efa nanao an’izany ve izy? Ho hitantsika ao amin’ireo lahatsoratra efatra manaraka izany.

a Salamo 40:17. Jehovah no anaran’Andriamanitra, araka ny Baiboly.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara