FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w14 1/10 p. 3
  • Ilaina ny Mahalala ny Fanjakan’Andriamanitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ilaina ny Mahalala ny Fanjakan’Andriamanitra
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
  • Mitovitovy Aminy
  • “Ho Tonga Anie ny Fanjakanao!” Vavaka Averimberin’ny Olona An-tapitrisany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2020
  • Inona no Nampianarin’i Jesosy Momba ny Fanjakan’Andriamanitra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Inona no hasehon’ny fahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra aminao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1965
  • Inona moa ny Fanjakan’Andriamanitra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
w14 1/10 p. 3
Olona any amin’ny firenena samihafa mamaky gazety momba ny Fanjakan’Andriamanitra

MATOAN-DAHATSORATRA | HANOVA NY FIAINANAO NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA

Ilaina ny Mahalala ny Fanjakan’Andriamanitra

Olona an-tapitrisany no manantena hoe ho tonga ny Fanjakan’Andriamanitra. Manao an’ilay vavaka nampianarin’i Jesosy izy ireo hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao! Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao.”—Matio 6:10.

Mahatsikaiky ihany hoe mahaliana olona maro io Fanjakana io, nefa toa tsy dia miresaka azy io ny ankamaroan’ny fivavahana. Nilaza i H. Wells, mpahay tantara, fa mahavariana hoe ‘nataon’i Jesosy vaindohan-draharaha ny nampianatra momba ny Fanjakan’ny Lanitra nefa zara raha mampianatra momba azy io ny ankamaroan’ny fivavahana kristianina.’

Tsy mba toy ny ankamaroan’ny fivavahana izahay Vavolombelon’i Jehovah, satria ny Fanjakan’Andriamanitra no tena torinay. Eritrereto ange e! Misy amin’ny fiteny 220 ity gazetinay ity. Ity koa no gazety avoakanay betsaka indrindra, sady gazety miely indrindra eran-tany satria efa ho 46 tapitrisa isam-bolana no atao pirinty. Ary inona no tena resahiny? Hita eo amin’ny lohateniny ilay izy, hoe: Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah.a

Miezaka mafy mampahafantatra momba ny Fanjakan’Andriamanitra izahay satria izy io no tena resahin’ny Baiboly, ilay boky manan-danja indrindra eran-tany. Resy lahatra koa izahay fa ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no hahavaha ny olana rehetra mahazo ny olombelona.

Manahaka an’i Jesosy izahay ka mazoto mitory ny Fanjakan’Andriamanitra. Io Fanjakana io no zava-dehibe indrindra tamin’i Jesosy sady io no tena notoriny, tamin’izy teto an-tany. (Lioka 4:43) Nahoana no tena zava-dehibe taminy io Fanjakana io? Ary inona no hataon’izy io ho anao? Ho hitanao ao amin’ireo lahatsoratra manaraka ny valiny omen’ny Baiboly.

a Jehovah no anaran’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara