FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w14 1/10 p. 8-9
  • Hanova ny Fiainanao ny Fanjakan’Andriamanitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Hanova ny Fiainanao ny Fanjakan’Andriamanitra
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
  • Mitovitovy Aminy
  • Nahoana i Jesosy no Nitory ny Fanjakan’Andriamanitra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-Baiboly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
  • Fanjakan’Andriamanitra
    Mifohaza!—2013
  • Miezaha Hanohana ny Fanjakan’Andriamanitra Dieny Izao!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2020
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
w14 1/10 p. 8-9
Mpivady mianatra momba ny Fanjakan’Andriamanitra

MATOAN-DAHATSORATRA | HANOVA NY FIAINANAO NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA

Hanova ny Fiainanao ny Fanjakan’Andriamanitra

Tena zava-dehibe amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Fanjakan’Andriamanitra, araka ny hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha. Mety ho vaovao be aminao anefa ny fampanantenana sasany noresahintsika tao. Mety ho lasa saina àry ianao hoe izany ve dia hitranga.

Tena tsara ny mandinika hoatr’izany, fa tsy tonga dia minomino fahatany. (Ohabolana 14:15) Izany no nataon’ny Jiosy tany Beria.a Tsy tonga dia nino ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana notorina taminy izy ireo, na dia tiany hitranga aza ilay izy. Nandinika tsara ny Soratra Masina aloha izy ireo mba “hahitana raha izany tokoa no izy.” (Asan’ny Apostoly 17:11) Nampitahainy tamin’izay voalaza ao amin’ny Soratra Masina ny vaovao tsara reny. Resy lahatra izy ireo avy eo hoe tena avy ao tokoa ilay izy.

Mampirisika anao hanao toy izany koa ny Vavolombelon’i Jehovah. Afaka mampianatra Baiboly anao maimaim-poana izahay. Ianao ihany amin’izay no hahita raha tena avy ao amin’ny Baiboly ny zavatra inoanay momba ny Fanjakan’Andriamanitra.

Rehefa mianatra Baiboly koa ianao, dia hahita ny valin’ny fanontaniana sasany manahiran-tsaina antsika, ohatra hoe:

  • Ahoana no nampisy antsika?

  • Nahoana isika no velona?

  • Nahoana Andriamanitra no mamela ny fijaliana hisy?

  • Manao ahoana isika rehefa maty?

  • Ho potika ve ny tany?

  • Inona no mahasambatra ny fianakaviana?

Ho lasa naman’Andriamanitra koa ianao rehefa mianatra Baiboly, ary izany no zava-dehibe indrindra. (Jakoba 4:8) Arakaraka ny anatonanao azy no hahitanao fa efa manao zavatra tsara ho anao ny Fanjakany, ary mbola hanao izany koa mandrakizay. Hoy mantsy i Jesosy, tamin’izy nivavaka tamin’ny Rainy: “Koa mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahalala anao, ilay hany tena Andriamanitra, sy Jesosy Kristy, ilay nirahinao.”—Jaona 17:3.

Io boky io no ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa miara-mianatra Baiboly amin’olona.

Raha te hianatra Baiboly maimaim-poana ianao, dia manontania Vavolombelon’i Jehovah, na fenoy ilay hoe MANGATAHA HIANATRA BAIBOLY, ao amin’ny tranonkalanay www.pr2711.com.

a Tanàna tany Makedonia i Beria.

Inona ny Zavatra Tiany Indrindra?

Folake

Vao haingana izay, dia nasain’ny mpampianatra namorona lahatsoratra i Folake, ankizivavy folo taona. Izao no lohateniny: “Inona ny Zavatra Tiako Indrindra?” Tia mitory momba ny Fanjakan’Andriamanitra i Folake, ka izay no nofidiny horesahina.

Nanoratra i Folake hoe: “Tena misy ny Fanjakan’Andriamanitra fa tsy hita maso. Tsy ho hitantsika àry ilay izy, na dia hanao solomaso aza isika!”

Noresahiny koa hoe inona amin’ny zavatra hataon’ilay Fanjakana no tena tsy andriny, ary inona avy ny olana hovahan’io Fanjakana io. Hoy izy: ‘Malahelo aho rehefa mahita olona tsy manan-trano fa mipetraka eny amoron-dalana sy ankizy maty noana any amin’ny firenena samihafa. Faly indray anefa aho vao mamaky ny Isaia 65:21.’ Mampanantena io andinin-teny io hoe: “Hanao trano ny olona ka honina ao, ary hanao tanimboaloboka ka hihinana ny vokatra avy amin’izany.” Ho toy izany ny fiainan’ny olona rehefa hanjaka ny Fanjakan’Andriamanitra.

Nosoratan’i Folake koa fa tsy andriny izay hahatanterahan’ny Apokalypsy 21:4, izay miresaka fa hofoanan’ny Fanjakan’Andriamanitra ny aretina. Voalaza ao hoe: ‘Hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana.’ Naveriny indray teny amin’ny faran’ilay lahatsoratra, fa ny miresaka momba an’i Jehovah sy ny Fanjakany no zavatra tiany indrindra. Tena tian’io ankizivavikely io tokoa ny Fanjakan’Andriamanitra!

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara