FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w14 1/11 p. 3
  • Tena Misy ve i Satana?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tena Misy ve i Satana?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
  • Mitovitovy Aminy
  • Satana
    Mifohaza!—2013
  • Miambena Satria Te Handrapaka Anao i Satana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Iza moa i Satana? Tena Misy ve Izy?
    Mifohaza!—2007
  • Satana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
w14 1/11 p. 3

MATOAN-DAHATSORATRA | TENA MISY VE I SATANA?

Tena Misy ve i Satana?

Sarivongana mampiseho hoe anjely natsipy tetỳ an-tany i Satana

Sarivongana any Madrid, any Espaina, mampiseho hoe anjely ratsy natsipy tetỳ an-tany i Satana

“Izao foana no notenenin’ny neninay tamiko raha vao naditra aho, tamin’izaho mbola kely: ‘Alain’ny Devoly eo ianao a!’ Dia novaliako foana izy hoe: ‘Avelao alainy any!’ Nino an’Andriamanitra mantsy aho fa tsy nino hoe misy i Satana.”—ROGELIO, ANY SALVADAORO.

Mitovy hevitra amin’i Rogelio ve ianao? Iza amin’ireto no hitanao hoe marina?

  • Teny ilazana ny zava-dratsy na ny toetra ratsy fotsiny ny hoe Devoly.

  • Tena misy i Satana fa tsy miraharaha antsika.

  • Anjely matanjaka be i Satana ary tena mahavita mitarika ny olona hanao ratsy.

Samy manana ny mpanohana azy ireo hevitra ireo ary an-tapitrisany mihitsy aza angamba. Tena ilaina ve anefa ny mahalala hoe iza amin’ireo no marina? Eritrereto izao: Raha tsy tena misy i Satana, dia diso hevitra daholo izay mihevitra hoe misy izy. Raha misy indray izy nefa tsy miraharaha antsika, dia mailomailo na matahotra azy tsy amin’antony mihitsy aza ny olona maro. Raha tena manan-kery eo amin’ny fiainan’ny olona kosa izy sady mpamitaka raindahiny, dia tena mampidi-doza mihoatra noho izay eritreretin’ny ankamaroan’ny olona.

Teny ilazana ny toetra ratsy fotsiny ve ny hoe Devoly na Satana? Sa izy io anjely? Raha tena misy izy, mety hampidi-doza anao ve? Inona no azonao atao mba hiarovana ny tenanao? Aleo hojerentsika izay lazain’ny Soratra Masina.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara