FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • wp16 No. 4 p. 8
  • Nahoana no Mbola Misy Hatramin’izao ny Baiboly?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nahoana no Mbola Misy Hatramin’izao ny Baiboly?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2016
  • Mitovitovy Aminy
  • Tenin’Andriamanitra ny Baiboly ary Nataony ho Antsika
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
  • Tsara ho Fantatra ny Tantaran’ny Baiboly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2016
  • Fanazavana Fanampiny
    Mifohaza!—2018
  • Ahoana no Fiheveranao ny Baiboly?
    Ahoana no Fiheveranao ny Baiboly?
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2016
wp16 No. 4 p. 8
Lehilahy iray mamaky Baiboly

MATOAN-DAHATSORATRA | NAHOANA NO MBOLA MISY HATRAMIN’IZAO NY BAIBOLY?

Nahoana no Mbola Misy Hatramin’izao ny Baiboly?

Soa fa mbola misy ny Baiboly, ka afaka manana sy mamaky azy io ianao. Afaka matoky ianao hoe mifanaraka tsara amin’ny sora-tanana tany am-boalohany ny Baiboly vakinao, raha tsara ny fandikan-teny fidinao.a Mahagaga fa mbola misy foana ny Baiboly na dia mora simba aza ny fitaovana nanoratana azy, na dia nisy nitady hamongotra aza izy io, ary na dia nisy nitady hanova aza ny tao anatiny. Nahoana? Inona no mampiavaka an’io boky io?

“Resy lahatra aho izao hoe fanomezana avy amin’Andriamanitra ny Baiboly”

Hoy ny apostoly Paoly: “Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra.” (2 Timoty 3:16) Maro ny mpianatra Baiboly miaiky toy izany. Mino izy ireo hoe Tenin’Andriamanitra ny Baiboly ary narovany izy io matoa mbola misy foana. Nianatra Baiboly i Faizal, ilay voaresaka tany aloha, satria te hanadihady izy raha marina izany. Nahagaga azy ny zavatra hitany. Tsy ela dia fantany hoe tsy ao amin’ny Baiboly ny ankamaroan’ny fampianaran’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina. Nanohina ny fony koa ny nahalala ny fikasan’Andriamanitra momba ny tany.

Hoy i Faizal: “Resy lahatra aho izao hoe fanomezana avy amin’Andriamanitra ny Baiboly. Izy no namorona an’izao rehetra izao, ka azo antoka fa vitany ny manome boky antsika sy miaro azy io. Toy ny hoe manisy fetra ny herin’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra aho raha milaza fa tsy mahavita an’izany izy. Izaho ve dia ho sahy hanao an’izany?”—Isaia 40:8.

a Jereo ilay lahatsoratra hoe “Inona no Baiboly Tokony Hovakinao?”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Mey 2008.

Inona no Manaporofo fa Marina ny Baiboly?

Noresahina tato hoe mbola voaro hatramin’izao ny Baiboly. Nahoana anefa ianao no afaka matoky hoe “tenin’Andriamanitra” izy io fa tsy angano? (1 Tesalonianina 2:13) Jereo ilay video fohy hoe Inona no Manaporofo fa Marina ny Baiboly?, ao amin’ny lesona 3 amin’ny bokikely Vaovao Tsara Natao ho Anao!, ao amin’ny www.pr2711.com/mg. (Jereo ao amin’ilay hoe ZAVATRA MISY > BOKY & BOKIKELY)

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara