FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 2/90 p. 4
  • Valin’ny fanontanianareo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Valin’ny fanontanianareo
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1990
  • Mitovitovy Aminy
  • ‘Mitondrà tena amin’ny fomba mendrika ny vaovao tsara’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Aoka isika hamboly ireo fomba kristiana eo amin’izao tontolo izao tsy manaja
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Mampiavaka ny Vahoakan’Andriamanitra ny Fahalalam-pomba
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2001
  • Mahalala Fomba ny Mpanompon’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1990
km 2/90 p. 4

Valin’ny fanontanianareo

* Ahoana no hananana fahalalam-pomba kristiana rehefa manatrika ny fianarana ny boky isika?

Amin’ny ankapobeny, ireo mpifanolobodirindrina amintsika dia mandinika antsika, ary indraindray ny fitondrantenantsika dia mampipoitra fanamarihana na fihetsehana mihitsy aza avy amin’izy ireo (jereo 1 Korintiana 4:9). Amin’ny maha-mpanompon’Andriamanitra antsika, dia irintsika ho tsara ny fanamarihana sy ny fihetsik’ireny olona ireny manoloana ny fitondrantenantsika (1 Petera 2:12). Tokony ho voamarina izany ao anatin’ny faritry ny fianarana ny boky. Koa satria ny ankamaroan’ireny fianarana ireny atao any an-tokantrano, dia tokony hitandrina manokana isika mba hisy vokany tsara eo amin’izay rehetra ataontsika ny fombantsika. Any amin’izay tsy misy toerana firy ijanonan’ny fiarakodia, nahoana raha heverina ny hiarahana maromaro ao anatin’ny fiara iray ihany, ka izany dia hisoroka ny hampahatezitra tsy amin’ny antony ireo mpifanolobodirindrina amin’ilay Vavolombelona izay misy ny fianarana ao aminy? Noho ny fitiavantsika ny namantsika, dia hosorohintsika ny hampijanona ny fiarakodiantsika eo amin’ny toerana iray izay mananosarotra na mampidi-doza ny fijanonana eo ka ho tsy fahampiam-piheverana.

Faly isika isaky ny mivory, ka izany dia ahitana matetika resadresaka feno hafanam-po aloha sy aorian’ny fivoriana (Mika 2:12). Ny fahalalam-pomba sy ny fiheverana ny hafa dia handidy antsika tsy hiteny mafy loatra mandritra ireny fotoana ireny (Matio 7:12; Gal. 6:10). Handidy antsika koa ny fitiavana kristiana mba hisakana ny zanatsika tsy hihazakazaka any ivelany na hanimba ny fananan’ny hafa (Ohab. 29:15; 1 Kor. 13:4, 5). Hanana fihetsika manaja ihany koa isika ao an-tranon’ilay kristiana anaovana ny fianarana. Raha misy mitoetra tsara, ireo loholona dia hanome azy avy hatrany torohevitra voamariky ny fitiavana nefa hentitra. Amin’izany dia tsy hisy na inona na inona hiseho izay mety hitarika mpifanolobodirindrina sasany hitaraina, hiteraka fahasorenana ho an’ilay kristiana izay ao aminy no anaovana ny fianarana na fanelingelenana ho an’ireo izay manatrika izany fivoriana izany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara