FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 4/04 p. 5-6
  • Hendre ary Ampiharo Ireo Zavatra Ianaranao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Hendre ary Ampiharo Ireo Zavatra Ianaranao
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2004
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2004
km 4/04 p. 5-6

Hendre ary Ampiharo Ireo Zavatra Ianaranao

1 Ny ho sambatra sy hiaina amim-piadanana no tanjon’ny ankamaroan’ny olona. Boky sy lahatsoratra an’arivony no manome torohevitra ny amin’ny fomba hisian’ny fanambadiana vanona, hitaizana zanaka, hahombiazana eo amin’ny fandraharahana, hananana sy hihazonana fahasalamana tsara, ary zavatra hafa maro izay manampy ny olona ho sambatra. Mety hisy fahendrena azo ampiharina ihany ao amin’ireny boky eo amin’izao tontolo izao ireny, nefa tsy sambatra sy miadana ny ankamaroan’ny olona. Nahoana?

2 Manome ny valin’izany ny Baiboly, ao amin’ny Ohabolana 1:7, manao hoe: “Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahalalana; fa ny adala manamavo ny fahendrena sy ny famaizana.” Tsy afaka manantena ny hiadana sy ho sambatra ny olona, raha tsy mahalala sy manaja ilay Loharanon’ny fahalalana marina sy ny fahendrena, dia i Jehovah Andriamanitra.

3 Mahantra sy noana ara-panahy izao tontolo izao. Mahatsikaiky anefa, fa izy ihany no mahatonga izany, satria tondraka ny sakafo ara-panahy maneran-tany, ary afaka mandray an’izany maimaim-poana ny rehetra. (Ohab. 1:20, 21; Apok. 22:17) Maniasia hatrany izao tontolo izao ao anatin’ny haizina ara-panahy satria mandà ny fahendrena avy amin’i Jehovah. (Ohab. 1:22-32) Ampy sakafo ara-panahy tsara sy sambatra kosa anefa isika, amin’ny maha vahoakan’i Jehovah antsika, izay manaja ny lalàny sy manaraka ny didiny. (Isaia 65:13, 14) Ny fitiavana hita eo anivon’ny fandaminan’Andriamanitra koa dia marika ahafantarana fa isika no tena mpianatr’i Kristy. (Jaona 13:35) Eny, ny firahalahiana kristianina eran-tany hita eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah dia porofo velona fa fahendrena ny manaraka ny fampianaran’ny Baiboly.

4 Mety hisy amin’ireo anisan’ny fandaminan’i Jehovah anefa tsy hahatsapa izany fahasambarana izany. Mety handrava ny fahasambaran’ireo manodidina azy aza izy ireo, noho ny zavatra teneniny sy ataony. Inona no mety hahatonga izany? Satria tsy ampiharin’izy ireo eo amin’ny fiainany ny fahendren’Andriamanitra. Mety hanatrika ny fivorian’ny fiangonana, ny fivoriamben’ny faritra, ary ny fivoriamben’ny vondrom-paritra izy ireo. Angamba maharaka izay lazain’ireo boky ara-baiboly koa izy ireo. Asehony amin’ny fomba fiainany sy ny fihetsiny amin’ny hafa anefa, anisan’izany ireo namana kristianina, fa tsy mampihatra ny fahamarinana nianarany izy ireo. Inona no tokony hataon’izy ireo? Tokony hifantoka amin’ny ‘famafazana ho an’ny fanahy’ izy ireo, amin’izay dia ho sambatra ary hanao izay hahasambatra ny manodidina azy koa.​—Gal. 6:7, 8.

5 Inona no tokony hampiharina: Mety ho lavon’i Satana, na izao tontolo izao, na ny nofontsika mpanota, ny tsirairay amintsika, raha manao tsirambina ka tsy mitandrina. Amin’izay dia ho very ny fifaliana azontsika avy amin’ny fifandraisana akaiky amin’i Jehovah. Vao mainka àry tena ilaintsika izao ny mampihatra izay ianarantsika avy amin’ireo fivoriana, sy fivoriambe, ary koa amin’ny alalan’ny fandaharana hafa ataon’ny fandaminana. Toerana mampidi-doza ny tontolo miovaova tsy an-kijanona iainantsika. Mila mailo isika ka hampihatra ireo torohevitra avy amin’i Jehovah, izay omeny amim-pitiavana amin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky sy malina”, satria fantatsika fa sakafo tonga amin’ny fotoana mety izany.​—Matio 24:45-47.

6 Manome antsika fanazavana tsara be dia be mba hiorenana mafy toy ny andiany iray ihany ny fandaharana amin’ny fivoriambe manokana iray andro. Misy torohevitra azo ampiharina omena mba hiadiana amin’ireo fitaomana mety hampahalemy antsika, toy ny toe-javatra mahakivy, ny toe-tsain’izao tontolo izao tsy tia fiankinana, ary ny fialam-boly mandany fotoana. Mampihatra ireto torohevitra tsara ireto ve isika: mitoky tanteraka amin’i Jehovah sy ny lalany, manaiky ny fahefan’Andriamanitra, manetry tena, ary manararaotra tsara ny fotoana mba hanaovana asa kristianina? (Mika 6:8; Efes. 5:15, 16; Heb. 6:10; 13:17) Mifanampy ve ireo mpianakavintsika mba hananana fomba fiaina kristianina? Tokony hisy heriny eo amin’ny fialam-boly fidintsika, ny fitafiantsika, ary ny fiainantsika andavanandro, ireo torohevitra omen’ny Soratra Masina antsika. Zara raha hanao fandrosoana isika na tsy handroso ara-panahy mihitsy, ary tsy hiadan-tsaina sy ho sambatra, raha tsy miezaka mafy mampihatra izay ianarantsika.​—Fil. 4:7-9; Jak. 1:22-25.

7 Mila tapa-kevitra ary miezaka manao fianarana samirery sy fianaram-pianakaviana isika. Ireo boky sy gazetintsika dia afaka manoro antsika ireo tsipiriam-panazavana momba ny fampiharana ireo toro lalana ara-baiboly. Azon’ny ray aman-dreny ampiasaina ilay boky Manontany ny Tanora, mba hanampiany ny zanany hiatrika ny tontolo mikorontan’i Satana ankehitriny. Hanana ny fomba fijerin’i Jehovah sy hotarihin’ny toro lalany isika, raha mampiasa fitaovana toy ireny. Raha tsy manao izany isika dia toy ny hoe manana fanafody afaka manasitrana antsika nefa tsy ampiasaintsika mihitsy. Hampitombo ny finoantsika sy hanome hery mba hiaretantsika ny fianarana samirery sy ny fianaram-pianakaviana tsy tapaka. Amin’izay dia tsy ho lefy ny finoantsika ary tsy ho lavo amin’ny fotoam-pitsapana isika.​—Matio 13:6; Lioka 8:13; Heb. 2:1.

8 Tokony hahay hitondra ny ankohonany ny anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana ka ho modely ho an’ny hafa. Tafiditra amin’izany ny fanampiany ny vady aman-janany hampihatra izay ianarany avy amin’ny Tenin’Andriamanitra sy ny fandaminana, mba hahatonga azy ireo ho Kristianina matotra. Ho modely ilay fianakaviana manontolo amin’izay, eo amin’ny fomba fiaina kristianina, ka hampahery an’ireo eo anivon’ny fiangonana sy ireo tsy anisan’ny fiangonana.​—Efes. 6:4; 1 Tim. 3:4, 12, 13.

9 Iza no tokony hampiana? Mila fampaherezana bebe kokoa ny ankamaroan’ny mpanatrika ny Fahatsiarovana isan-taona, mba hampiharany izay nianarany sy mba hiarahany amin’ny fandaminana. Afaka maneho fiahiana amim-pitiavana an’ireo miara-mianatra Baiboly amintsika isika. Manao izany isika amin’ny fampianarana azy ireo hampihatra eo amin’ny fiainany ireo toro lalana, sy hanatanteraka ny didin’Andriamanitra. Tokony haneho fiahiana an’ireo manao fandrosoana mba ho tonga rahalahy sy anabavy kristianina isika.

10 Tokony hampiana ireo rehetra tapatapaka na tsy mitory intsony mba hahitan’izy ireo fa ilainy ny miara-miasa tsy tapaka amin’ny fandaminana. Mila mahatsapa indray ilay fiadanana sy fahasambarana nankafiziny fony nanompo an’i Jehovah bebe kokoa izy ireo. (Jaona 13:17) Raha ampiantsika amin-katsaram-panahy izy mba hankasitraka indray ny fahamarinana ary “hanao sorona fiderana ho an’Andriamanitra”, dia ho hainy ny hampihatra izay ianarany sy hijanona eo amin’ny lalan’ny fiainana.​—Heb. 13:15.

11 Mila maharaka ny fandaminan’i Jehovah izay mandroso haingana ny vahoakan’Andriamanitra rehetra. Tsy tokony ho afa-po loatra amin’ny tenantsika isika. Tsy maintsy hazonintsika ho tsara foana ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra. Tsy maintsy maharaka hatrany ireo fanazavana farany indrindra nomen’ny fandaminan’Andriamanitra isika ary hampihatra azy ireny avy hatrany. Mitaky ezaka mafy izany ary indraindray sorona avy amintsika. Tsy mitaky zavatra tsy ho vitantsika anefa i Jehovah. Izy no Mpamorona antsika, ka fantany izay tsara indrindra ho antsika. Aoka àry isika haneho fahendrena hatrany amin’ny famelana an’i Jehovah hampianatra antsika, sy amin’ny fampiharana izay ianarantsika. Hanome voninahitra azy izany ary handraisantsika soa maharitra mandrakizay.​—Isaia 48:17; 54:13.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara