Valin’ny Fanontanianareo
◼ Rahoviana ny mpitory iray no azo ekena hatao batisa?
Ny olona mahafeno fepetra ho mpitory tsy vita batisa, dia efa nampiseho tamin’ny fomba maro fa tena maniry ho lasa Vavolombelon’i Jehovah izy. (Sal. 110:3) Nahatonga azy hanova ny fisainany sy ny fihetsiny ary ny fiainany, ny fianarany tamin-jotom-po ny Soratra Masina. Tena maniry hampifaly an’i Jehovah sy hanao ny sitrapony ny mpianatra tso-po toy izany. Mifanerasera tsy tapaka amin’ny vahoakany any amin’ny fivorian’ny fiangonana sy ny fivoriambe àry izy. (Heb. 10:24, 25) Ankoatra izany, dia angamba izy efa natosiky ny fony hanao fanambarana ampahibemaso momba ny finoany, ka nanome valin-teny tany am-pivoriana, sy nisoratra anarana tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana.—Sal. 40:9, 10; om p. 73, feh. 2.
Afaka mandray anjara amin’ny fanompoana isan-trano ny mpianatra Baiboly, rehefa hita fa manaiky ny fahamarinana, sady tena mahatsapa fa sarobidy ny hafatra momba ilay Fanjakana. Izany no asa lehibe indrindra ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. (Matio 24:14; 28:19, 20; om p. 111, feh. 2) Tsy maintsy fantarin’ny mpampianatra azy sy ny anti-panahy tsara anefa, raha tena mifanaraka amin’ny toro lalan’ny Baiboly ny fiainany manontolo na tsia. Tokony ho hita fa tena maniry ho lasa Vavolombelon’i Jehovah izy, ary mankasitraka ny tombontsoa handray anjara amin’ny fitoriana momba ilay Fanjakana sy ny asa fanaovana mpianatra.—Gal. 6:6; om p. 98-99, 173.
Tsy voatery ho ela be aorian’ny ahafenoany fepetra ho mpitory, vao azo atao batisa izy. Efa mifanaraka tsara amin’ny toro lalan’ny Baiboly mantsy ny fiainany. Na izany aza, dia mbola tsy za-draharaha amin’ny fanompoana izy. Tokony homena fotoana ampy àry izy, mba hampisehoany fa tena tapa-kevitra handray anjara tsy tapaka sy amin-jotom-po amin’ny fanompoana izy.—Sal. 40:8; Rom. 10:9, 10, 14, 15.
Rehefa vonona ho amin’ny batisa izy, dia azo antoka fa efa mandray anjara tsy tapaka amin’ny fitoriana ny vaovao tsara, ka manokana fotoana betsaka amin’izany isam-bolana, fa tsy ora iray na roa monja. Mazava ho azy fa tokony hasiana fiheverana ihany ny toe-javatra misy ny mpilatsaka hatao batisa tsirairay, anisan’izany ny taonany, ny habetsahan’ny zavatra mety ho vitany, sy ny sisa. Tokony harahin’ny anti-panahy ilay toromarika natao ho azy ireo, ao amin’ny boky Ny Fanompoantsika pejy 173 sy 174, manao hoe: “Ny fiahiantsika dia amin’ireo izay mitodika any amin’i Jehovah ny fony, sy nahatakatra ny hevitr’ireo fahamarinana fototra ao amin’ny Baiboly. Noho ny fanampianareo amim-pitiavana, ireo eo an-dalan’ny batisa dia handray fampaherezana sy fanampiana mba hiditra ao amin’ny fanompoana kristianina, ampy fiomanana mba hanatanteraka izany fanendrena lehibe izany.”—Matio 16:24; Jaona 4:34; 1 Pet. 2:21.