Fampandrenesana
● Zavatra hatolotra amin’ny Jolay sy Aogositra: Ireo bokikely 32 pejy rehetra afa-tsy ny bokikely “Sekoly”. Septambra: Ny boky “Tsy mahay mandainga” amin’ny sarany 450 FMG na ny boky “Fiadanana sy Filaminana” amin’ny sarany 300 FMG. Azo atao ny manoloha azy roa miaraha amin’ny sarany 750 FMG. Oktobra: Famandrihana amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana na Réveillez-vous! na amin’izy roa miaraka.
● Ireo kongregasiona maniry hampifamadika ireo fandaharam-potoanan’ny fivoriana amin’ny kongregasina hafa dia tokony hanao izany amin’ny 1 Septambra. Tokony hamboarina ny fandaharam-potoana vaovao ary hampandrenesina ireo kongregasiona. Tokony hampahafantatra ny Fikambanana ny amin’ny fandaharam-potoanany vaovao ho an’ireo fivoriany ny kongregasiona rehetra amin’ny 6 Aogositra fara fahelany.
● Manomboka amin’ny Septambra, ny lahateny ampahibemaso vaovao hataon’ireo mpiandraikitra ny fizaran-tany dia hoe “Midera an’i Jehovah ireo mpanatrika ny fivoriamben’ny distrika any Eoropa Atsinanana”. Io lahateny io dia fampisehoana “diapositives” izay hitantara ireo zavatra nisongadina tamin’ireo Fivoriamben’ny distrika “Ny Fiteny Madio” natao tany amin’ny tany samihafa tany Eoropa Atsinanana nandritra ny fotoam-pialan-tsasatra 1990.
FANITSIANA
Aza fady mba ampidiro ao amin’ny bokinareo “Ny fomba hahavelomanao” ireto fanitsiana manaraka ireto:
- Pejy faha-50, lohateny kely soloana hoe: “Tsy nanisy fiheverana mihitsy izy ireny”
- Fehin.11 andal. faha-7: “[tsy nahafantatra na inona na inona izy ireny, MN]” Soloana hoe: “[tsy nanisy fiheverana mihitsy izy ireny, MN]”
- Fehin.12 andal.faha-16: “tsy nahafantatra na inona....nampitain’i Noa] Soloana hoe: “tsy nanisy fiheverana mihitsy [ny hafatr’Andriamanitra nampitain’i Noa] izy ireny”
- Fanontaniana faha-12: “Tsy nahafantatra...izy ireny” Soloana hoe: “Tsy nanisy fiheverana izy ireny”
- Pejy faha-127, fehin.13, laha. faha-4: “Niaraka tamin’ireo Kenita hafa i Hebera... ” Soloana hoe: “Nisaraka tamin’ireo Kenita hafa i Hebera...”