Manana endrika vaovao Ny Fanompoantsika ilay Fanjakana
Manomboka amin’ity Septambra ity, dia miseho amin’ny endriny vaovao Ny Fanompoantsika ilay Fanjakana. Ny fisehoany tsaratsara kokoa dia hanamora ny asa famoahana ity zavatra vita an-tsoratra isam-bolana ity amin’ny fiteny maro ary hanampy ireo mpamaky mba hahita mora kokoa ny fanazavana sasany.
Noho izao endrika vaovao izao, dia azo avoaka amin’ny alalan’ny ôrdinatera ireo lohateny sy lahatsoratra rehetra, ka tsy voatery hatao tanana intsony ny fametahana fanampiny ireo lohateny. Izany dia manamora aoka izany ny asa famoahana Ny Fanompoantsika ilay Fanjakana.
Ho an’ny mpamaky, dia misy fanatsarana maromaro. Mitovy foana ny haben’ny soratra ampiasaina, ary ny endriky ny soratra nofidina ho an’ny lahatsoratra dia mora vakina tokoa, eny na dia rehefa madinika aza. Ho mora vakina kokoa ny filazana asan’ny kongregasiona. Fanampin’izany, ireo lahatsoratra lehibe indrindra mazàna dia ho hita ao amin’ireo pejy ivelany, ary ho tapitra ao amin’ny pejy iray ihany ny ankamaroan’ireo lahatsoratra. Ny fandaharana amin’ny Fivoriana momba ny asa, ny fandaharana amin’ny fianarana ny bokin’ny kongregasiona, ny filazana asan’ny kongregasiona, ireo Fampandrenesana, Vaovao teokratika, Fivoriana ho amin’ny asa fanompoana, Foto-dresaka ary ny Valin’ny fanontanianareo dia samy ho hita ao amin’ireo pejy anatiny.
Manantena izahay fa ho hitanareo fa ity fitaovana sarobidy ity dia hanintona kokoa sy handaitra kokoa mba hanampy anareo eo amin’ny asa fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana sy fanaovana mpianatra.