Fampandrenesana
◼ Zavatra atolotra amin’ny Janoary sy Febroary: Fitambarana boky roa amin’ny sarany 600 FMG, voaforon’ny roa amin’ireto boky manaraka ireto: “Tsy mahay mandainga”, “Fiadanana sy filaminana” ary “Fahamarinana”. Rehefa tapitra ireo boky telo ireo ao amin’ny tahirin’ny kongregasiona, dia afaka mampiasa ny boky Vaovao tsara sy Ho tonga anie ny Fanjakanao! amin’ny sarany 600 FMG ny fitambaran’ny boky roa, isika. Martsa: Ny boky Les Jeunes s’interrogent — Réponses pratiques amin’ny sarany 1200 FMG, na ny boky Ny fahatanoranao amin’ny sarany 800 FMG, fa tsy ny boky La Révélation — le grand dénouement est proche! araka ny nambara tao amin’ny Ny Fanompoantsika volana Desambra.
◼ Manomboka amin’ny Febroary, na 1 Martsa fara fahelany, ny lahateny ampahibemaso vaovao hataon’ireo mpiandraikitra ny fizaran-tany dia hitondra ny lohateny hoe “Jesosy Kristy — ilay Mpanapaka vaovaon’ny tany”.
◼ Fanitsiana:
• Ao amin’ny boky Voalamina mba hanatanteraka tsara ny fanompoantsika,
p. 144, feh. faha-2, ny fehezanteny farany dia esorina ka soloana hoe: “Raha olona mbola tsy vita batisa no voalaza fa nanao fahadisoana lehibe, dia jereo ny pejy faha-147.”
p. 224, tsanganana voalohany, eo aorian’ny hoe “Mpiandraikitra prezidà 40-42” dia ampiana hoe “, 105”.
p. 224, tsanganana voalohany, eo aorian’ny hoe “Mpitantsoratra 41, 42, 105, 106” dia esorina ny hoe “106”.