FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 5/92 p. 3
  • Fampandrenesana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fampandrenesana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
km 5/92 p. 3

Fampandrenesana

◼ Zavatra atolotra amin’ny May: Gazety roa ampiarahina amin’ny bokikely iray, na inona izany na inona, afa-tsy ny bokikely Ny sekoly sy Ny Vavolombelon’i Jehovah, amin’ny sarany 540 FMG. Azo atao koa ny manolotra famandrihana herintaona na enim-bolana. Jona: Ny boky “Ho tonga anie ny Fanjakanao” amin’ny sarany 300 FMG. Jolay: Na iza na iza amin’ireto bokikely ireto: Mifalia amin’ny fiainana eto an-tany mandrakizay!, “Indro, havaoziko ny zavatra rehetra,” Tokony hino ny Trinite ve ianao?, Ny anaran’Andriamanitra izay haharitra mandrakizay, Le gouvernement qui établira le Paradis. Aogositra: Ny boky Azonao atao ny hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany amin’ny sarany 1200 FMG. FANAMARIHANA: Ireo kongregasiona mbola tsy nanafatra ireo zavatra hapetraka eo amin’ny asa fanompoana ireo dia tokony hanao izany amin’ny “Taratasy fanafarana zavatra vita an-tsoratra” (S-AB-14) halefany manaraka.

◼ Tahiry ao amin’ny Betela: Mifohaza! n°2, 3, 4/1991, n°1/1992; bokikely maro Aoka isika handinika ny Soratra Masina isan’andro 1992 (240 FMG ho an’ny mpitory tsotra, 160 FMG ho an’ny mpitory maharitra). Iangaviana ianareo hanafatra avy hatrany ny isany fanampiny ilainareo.

◼ Boky ho an’ny Sekolin’ny fanompoana teokratika: Misy fahasamihafana sasany eo amin’ny Boky ho an’ny Sekolin’ny Fanompoana teokratika sy ny “Toromarika ho an’ny fianarana ny fanompoana teokratika amin’ny 1992,” satria izy io manavao ny Boky ho an’ny Sekoly raha ny amin’ny fomba tokony hitarihana ny Sekoly Teokratika. Ny mpiandraikitra ny Sekoly sy ireo rahalahy manao ny lahateny fampianarana miorina amin’ny Boky ho an’ny Sekolin’ny fanompoana teokratika (famelabelarana voalohany amin’ny Sekoly) dia tokony hifankazatra amin’ireo toromarika ireo ary hanaraka azy ireny akaiky.

◼ Hahita soa feno kokoa amin’ny fampisehoana tantara araka ny fotoana ilàna azy indrindra, haseho amin’ny fivoriamben’ny distrika “Ireo mpitondra fahazavana” ny rehetra, amin’ny famakiana ny fitantarana ara-tsindrimandry voasoratra ao amin’ny 2 Mpanjaka 22:1-23:23 ary 2 Tantara 34:1–35:19, alohan’ny hanatrehana ny fivoriambe.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara