Aoka isika hanaiky sy hampihatra ary handray soa avy amin’ny Tenin’Andriamanitra
1 Na dia olona an-tapitrisany maro aza no manana Baiboly, dia maro no tsy manaiky azy io ho ny Tenin’Andriamanitra, ny ankamaroany no tsy mampihatra ny torohevitra feno fahendrena ao anatiny, ka noho izany dia vitsy no mandray soa avy aminy. Kanefa, ny vahoakan’i Jehovah dia mino marina fa ny Tenin’Andriamanitra izy io ary mahasoa amin’ny zavatra rehetra. (2 Tim. 3:16, 17). Noho izany, ny fotokevitry ny fandaharana amin’ny fivoriamben’ny fizaran-tany ho an’ny taom-piasana 1993 dia hoe “Aoka isika hanaiky sy hampihatra ary handray soa avy amin’ny Tenin’Andriamanitra”.
2 Hisy lahateny, fampisehoana, fitantarana fanandraman-javatra ary fanadinadinana mba hampaherezana antsika, handalinana ny fankasitrahantsika ny Tenin’Andriamanitra ary hanampiana antsika hampihatra azy io amin’ny fomba feno kokoa eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainana. Ny fandaharana amin’ny asabotsy tolakandro dia handinika torohevitra sy fifehezana eo anivon’ny fianakaviana mifandray amin’ny fialam-boly, ny fifaneraserana ary ny fitiavana fatratra zavatra ara-nofo. Izany dia hampiseho ny fomba tsy maintsy maha-hafa antsika noho izao tontolo izao ka tsy handraisantsika ny fomba ratsiny sy ny fomba fiteniny tsy maneho fanajana na vetaveta mihitsy. Ankoatra izany, dia hisy fampaherezana homena ireo ray na reny mitaiza irery ny zanany sy ireo ankizy tsy manan-dray na reny.
3 Fanampin’izany, ny asabotsy, ireo vaovao vao nanolo-tena dia hanana fahafahana hatao batisa rehefa avy nahare lahateny iray araka ny Soratra Masina momba izany fotokevitra izany. Ireo izay mikasa ny hatao batisa amin’io fivoriamben’ny fizaran-tany io dia tokony hampahafantatra ny faniriany haingana araka izay azo atao amin’ny mpiandraikitra prezidàn’ny kongregasiona. Izany dia mba hananan’io fotoana handaminana ny amin’izay loholona hiara-mandinika ireo fanontaniana amin’ireo mirotsaka hatao batisa.
4 Ny fandaharana amin’ny alahady maraina dia handinika ireo fomba iavahantsika amin’izao tontolo izao, amin’ny fanarahana ny Tenin’Andriamanitra. Ho anisan’ireo fotokevitra hodinihina ny maha-zava-dehibe ny fisehoantsika ivelany sy ny fomba hanalavirana ny fandotoana ny saintsika. Ny tolakandro, ny mpiandraikitra ny distrika dia hanao ny lahateny ampahibemaso mitondra ny lohateny hoe “Inona no manamarika fa marina ny Baiboly?” Tiantsika ny tsy hanadino ny hanasa ireo olona liana rehetra hanatrika io fandaharana tsara dia tsara io.
5 Ireo daty sy toerana hanaovana io fivoriamben’ny fizaran-tany io dia homen’ny mpiandraikitra ny fizaran-taninareo. Mampirisika ny rehetra izahay hanatrika azy io mba hanekena sy hampiharana ary handraisana soa avy amin’ny torohevitry ny Tenin’Andriamanitra. — Jak. 1:22-25.