FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 9/92 p. 6
  • Fampandrenesana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fampandrenesana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
km 9/92 p. 6

Fampandrenesana

◼ Zavatra atolotra amin’ny Septambra: Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly, amin’ny sarany 3 000 FMG (2 000 FMG ho an’ny mpisava lalana). Oktobra: Famandrihana amin’ny Réveillez-vous! na amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana na amin’izy roa miaraka. Novambra: Ny Fahatanoranao, 1 000 FMG (750 FMG ho an’ny mpisava lalana). Desambra: Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany, amin’ny sarany 3 000 FMG (2 000 FMG ho an’ny mpisava lalana). FANAMARIHANA: Ireo kongregasiona izay mbola tsy nanafatra ireo zavatra hatolotra eo amin’ny asa fanompoana ireo dia tokony hanao izany amin’ny Taratasy Fanafarana Zavatra Vita An-tsoratra (S-AB-14) manaraka.

◼ Ny mpiandraikitra prezidà na ny olona iray notendreny dia tokony hanao ny fanamarinana ny kaontin’ny kongregasiona amin’ny 1 Septambra na haingana araka izay azo atao aorian’izany. Manaova fampandrenesana amin’ny kongregasiona rehefa vita izy io.

◼ Ireo mpitory mikasa ny hanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy amin’ny Oktobra dia tokony hamerina ny taratasy fangatahany aloha. Izany dia mba hahafahan’ireo loholona hanao ireo fandaharana ilaina momba ny zavatra vita an-tsoratra sy ny faritany.

◼ Ampahatsiahivina ireo loholona mba hanaraka ny torohevitra omena eo amin’ny pejy 21-23 amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Jolay 1991, momba ireo voaroaka na niala an-tsitrapo izay mety haniry ny horaisina indray.

◼ Eo amin’ny pejy 103-104 amin’ny boky Voalamina mba Hanatanteraka Tsara ny Fanompoantsika, dia misy toromarika momba ny hoe fotoana toy inona avy no azo ampidirina ao amin’ny filazana asa ho anisan’ny ora lany teo amin’ny fanompoana. Nisy nanontany raha azon’ny mpitory iray mandika ny tenin’ny mpandahateny iray manao lahateny ampahibemaso atao ny manisa izany fotoana izany. Eny, azon’ilay mpandahateny sy ilay mpandika teny atao ny mampiditra ny fotoana lany amin’izany ao amin’ny filazana asany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara