Vaovao Teokratika
Albania: Teo anelanelan’ny volana Desambra 1991 sy ny volana Desambra 1992, dia niakatra ho 107 ny isan’ireo mpitory 24. Ny isan’ny fampianarana Baiboly 4 dia niakatra ho 221 tamin’io fe-potoana io ihany.
République Centrafricaine: Tamin’ny 20 Janoary 1993, ny fitondram-panjakana dia namoaka didy hitsivolana manome lalana ny hanaovan’ny Vavolombelon’i Jehovah indray ny asany amin’ny fomba feno. Faly ireo rahalahy any fa afaka mampiasa ireo Efitrano Fanjakanany izao sy afaka nanao ny Fivoriamben’ny Distrika “Ireo Mpitondra Fahazavana” tamin-kalalahana. Nisy 4 739 ny tontalin’isan’ny mpanatrika tany amin’ireo fivoriambe enina natao, ary 121 no natao batisa.