FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 9/93 p. 3
  • Fampandrenesana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fampandrenesana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
km 9/93 p. 3

Fampandrenesana

◼ Zavatra vita an-tsoratra atolotra mandritra ny Septambra: Fanolorana manokana: Ny Fahatanoranao — Ny Fomba Handraisan-tsoa Be Indrindra avy Amin’izany, amin’ny sarany 500 FMG (250 FMG no haloan’ny mpisava lalana). Oktobra: Famandrihana amin’ny Réveillez-vous! na Ny Tilikambo Fiambenana, na fanolorana ireo gazety mandeha mitokana. Novambra: Fanolorana manokana: Ny Fahatanoranao — Ny Fomba Handraisan-tsoa Be Indrindra avy Amin’izany, amin’ny sarany 500 FMG (250 FMG no haloan’ny mpisava lalana). Desambra: Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany, amin’ny sarany 3 000 FMG (2 000 FMG no haloan’ny mpisava lalana). FANAMARIHANA: Ireo kongregasiona mbola tsy nanao ny fanafarany an’ireo zavatra hatolotra eny amin’ny asa fanompoana voalaza etsy ambony dia tokony hanao izany eo amin’ny Taratasy Fanafarana Zavatra Vita An-tsoratra (S-AB-14) halefany manaraka. Hafaro, aza fady, ireo gazety fanampiny hilainareo amin’ny Oktobra.

◼ Ny mpiandraikitra prezidà na ny olona iray notendreny dia tokony hanao ny fanamarinana ny kaontin’ny kongregasiona amin’ny 1 Septambra na haingana araka izay azo atao aorian’izany. Manaova fampandrenesana amin’ny kongregasiona rehefa vita izy io.

◼ Manomboka amin’ny 8 Novambra 1993, dia ny boky Ny Fanambarana — Akaiky ny Fiafarany Malaza! no hodinihina amin’ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona.

◼ Tokony hamerina aloha ny taratasy fangatahany ireo mpitory mikasa ny hanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy amin’ny Oktobra. Izany dia mba hahafahan’ireo loholona hanao ireo fandaharana ilaina momba ny zavatra vita an-tsoratra sy ny faritany.

◼ Ampahatsiahivina ireo loholona mba hanaraka ireo toromarika omena eo amin’ny pejy faha-21-23 amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana 15 Jolay 1991 raha ny amin’ireo olona voaroaka na niala an-tsitrapo izay mety haniry ny horaisina indray.

◼ Fanitsiana: Tao amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana tamin’ny Aogositra 1993, eo amin’ny pejy faha-5, ao anatin’ny faritra voafefy misy ny fandaharana vaovao ho amin’ny Andro Fivoriambe Manokana, ny foto-kevitra hoe “Aoka Isika Hanaraka Akaiky Ilay Ohatra Lehibentsika” dia ovao hoe “Ny Fanarahana Akaiky Ilay Modelintsika Lehibe”; ary ny lahateny lehibe indrindra hoe “Ny Fanarahana Ilay Ohatra Lehibentsika — Mitondra Antsika ho Amin’inona moa Izany?” dia ovao hoe “Ny Fanarahana Ilay Modelintsika Lehibe — Mitarika Antsika ho Amin’inona moa Izany?”.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara