Fampandrenesana
◼ Zavatra vita an-tsoratra atolotra amin’ny Desambra: Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany amin’ny sarany 3 000 FMG (2 000 FMG no haloan’ny mpisava lalana). Janoary: Fanolorana manokana: Ny boky roa mitambatra: Vaovao Tsara Hahatonga Anao ho Sambatra sy “Ho Tonga Anie ny Fanjakanao ” amin’ny sarany 600 FMG. (Handray ireo boky roa amin’ny sarany 400 FMG ireo mpisava lalana maharitra.) Febroary: Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany amin’ny sarany 3 000 FMG (2 000 FMG no haloan’ny mpisava lalana) ilay be velarana ary amin’ny sarany 1 500 FMG (1 000 FMG no haloan’ny mpisava lalana) ilay kely velarana. Martsa: Ny Fanambarana — Akaiky ny Fiafarany Malaza! amin’ny sarany 3 000 FMG (2 000 FMG no haloan’ny mpisava lalana). FANAMARIHANA: Ireo kongregasiona izay hila an’ireo zavatra hatolotra eny amin’ny asa fanompoana voalaza ireo dia tokony hanafatra azy ireo amin’ny Taratasy Fanafarana Zavatra Vita An-tsoratra (S-AB-14) halefany manaraka.
◼ Ny mpiandraikitra prezidà na olona iray notendreny dia tokony hanamarina ny kaontin’ny kongregasiona ny 1 Desambra na haingana araka izay azo atao aorian’izay. Rehefa vita izany dia manaova fampandrenesana amin’ny kongregasiona.
◼ Ny Fahatsiarovana amin’ny 1995 dia ho ny zoma 14 Aprily aorian’ny filentehan’ny masoandro. Omena mialoha io daty fankalazana ny Fahatsiarovana amin’ny 1995 io, mba hahafahan’ireo rahalahy hanao ny famandrihana mialoha na ny fifanekena ilaina amin’ireo efitrano azo ampiasaina, rehefa kongregasiona maro loatra no mampiasa ny Efitrano Fanjakana ka tsy maintsy mitady trano hafa.
◼ Cassettes Audio Azo Raisina:
Cassettes audio amin’ny Baiboly amin’ny fiteny anglisy sy frantsay. Ireo kongregasiona nanao ny fanafarany mialoha tamin’ny Jona 1992 dia tokony hanafatra azy ireny izao, jereo aza fady ny vidiny ary alefaso ny vola mifanitsy amin’izany sy ny S-20 miaraka amin’ny taratasy fanafaranareo (S-AB-14).
◼ Araka ny efa nampandrenesina tao amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana tamin’ny volana Aogositra 1993, dia ampirisihina ireo mpitory hanafatra ny zavatra vita an-tsoratra ilainy amin’ny alalan’ny kongregasiona misy azy ireo. Raha misy anefa olona tonga atỳ amin’ny Sampana mitondra ny vola aloa tolo-botsotra, dia ho afaka hahazo izay zavatra vita an-tsoratra misy ao amin’ny tahiry izy.