Mirakitra Fampaherezana Sarobidy ny Diary
Mamelombelona ny mpanompon’Andriamanitra foana ny tatitra sy ny fitantarana momba ny asa mahagagan’i Jehovah. (Joba 38:4, 7; Ohab. 25:25; Lioka 7:22; Asa. 15:31) Tena mirakitra fampaherezana sarobidy àry ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah.
Aseho ao amin’ny Diary tsirairay ny tatitra maneran-tany mampahery momba ny asa sy ny zava-bitan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Manasongadina ny fitarihan’i Jehovah sy ny fiarovany ary ny fitahiany ny vahoakany, ireo fitantarana manatanjaka ny finoana. Resahin’ny Diary ireo lehilahy sy vehivavy be herim-po izay nandao havana aman-tsakaiza ary tanindrazana, mba hitondra ny fahamarinana ara-baiboly amin’ny olona any amin’ny kontinanta rehetra sy any amin’ireo nosin-dranomasina.
Nanosika mpamaky maro hampitombo ny fanompoany an’Andriamanitra ny Diary. Nanoratra toy izao ny mpamaky iray: “Ela vao voavakiko izy io. Tena nampahery ahy anefa izay voavakiko. Manjary tsapako fa afaka mitory bebe kokoa aho rehefa mahita izay ataon’ny hafa ao anatin’ny fanerena.”
Isan-taona, nanomboka tamin’ny 1927, dia tena mirakitra tatitra sy fitantarana mankahery ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Mandray soa feno avy amin’io loharanom-pampaherezana tsy manam-paharoa io ve ianao? Vakio àry ny Diary raha vantany vao voarainao. Mandritra ny taona, dia diniho ireo tapany sasany voafaritra tsara ao amin’izy io mba hahazoanareo mianakavy ny fampaherezana ilainareo.