Ireo Bokikely — Fitaovana Sarobidy ho Amin’ny Asa Fanompoana
1 Mazàna ny mpiasa tanana mahay iray dia mitondra fitaovana isan-karazany, ka ny tsirairay aminy dia natao ho an’ny asa iray voafaritra tsara. Amin’ny maha-mpitory ilay Fanjakana antsika, dia manana bokikely be dia be isan-karazany isika mba hanampy antsika hanome amim-pahakingana izay zavatra ara-panahy ilain’ny olona itoriantsika. (Ohab. 22:29, NW). Mety hifanena amin’ny olona iray ketraka ianao eo amin’ny varavarana iray. Eo amin’ny manaraka dia angamba maniry mafy fitondram-panjakana iray izay hanao ny marina ny tompon-trano, raha mbola manontany tena kosa ny olon-kafa iray raha misy zava-kendrena ny fiainana. Ahoana no azontsika ampiasana ireo bokikelintsika mba hanampiana ireny olona ireny?
2 Rehefa manolotra ny bokikely “Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra?”, dia ho azonao atao ny hilaza zavatra tahaka izao:
◼ “Ny olona sasany mandinika ny fijaliana sy ny tsy rariny eo amin’izao tontolo izao dia mirona hanome tsiny an’Andriamanitra ny amin’izany rehetra izany. Amin’izy ireo dia tokony hamarana ny fijaliantsika Andriamanitra raha tena miahy antsika, satria izy tsitoha. Inona no mba tsapanao momba izany? [Avelao izy hamaly.] Ny Salamo 72:12-14 dia mampiseho fa miahy antsika tokoa Andriamanitra. Tsy izy no mahatonga ny fijaliana sy ny tsy rariny. Nampanantena izy fa hofoanany tsy ho ela ny mpanao ratsy. Itỳ bokikely itỳ hoe Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra? dia mampiseho izay hataony sy ny fomba azontsika andraisan-tsoa.” Mety ho afaka hanohy ny resaka ianao amin’ny fanazavana ny eo amin’ny pejy faha-27, fehintsoratra faha-22.
3 Raha mampiasa ny bokikely “Zava-kendren’ny Fiainana” ianao dia hirinao angamba ny hanomboka amin’izao fomba izao:
◼ “Saika ny olon-drehetra no manontany tena momba ny zava-kendren’ny fiainana na ho ela na ho haingana. Moa ve izany dia ny hiaina mandritra ny 70 na 80 taona ary avy eo dia ho faty? Sa mihoatra noho izany ny hevitry ny fiainana? Ahoana no hevitrao? [Avelao izy hamaly.] Hitantsika eto amin’ny Salamo 37:29 ny zava-kendrena kanto ananan’Andriamanitra ho an’ny olona sy ny tany.” Rehefa avy mamaky ilay andinin-teny, dia avadiho eo amin’ny sary eo amin’ny pejy faha-31 ilay bokikely, ary manomeza fanazavana fanampiny momba ny hoe hanao ahoana ny fiainana ao amin’ny Paradisa.
4 Azo atao ny mampiditra ny bokikely “Indro” amin’ny fampisehoana ny sary manontolo eo amin’ny fonony, sady manontany hoe:
◼ “Inona no heverinao fa hilaina mba hahatonga ny tany ho tahaka izao? [Avelao izy hamaly.] Ny olona rehetra eto amin’itỳ sary itỳ dia samy manana trano sy asa mahafinaritra. Misy fiadanana sy sakafo betsaka hohanina ary tsy voaloto ny tany. Na dia miezaka mafy aza ireo fitondram-panjakan’olombelona dia hitany fa tsy ho vitan’izy ireo ny hampisy tontolo tahaka izao. Manome toky antsika anefa ny Baiboly fa Andriamanitra dia ‘hanavao ny zavatra rehetra’. [Avadiho eo amin’ny pejy faha-30 ilay bokikely ary vakio ny Apokalypsy 21:3, 4.] Afaka manampy anao hahafantatra izay tokony hatao mba hiainana ao amin’izany tontolo vaovao izany, itỳ bokikely itỳ.” Raha misy fahalianana ampy, dia avadiho eo amin’ny pejy faha-3 ilay bokikely ary asehoy ny fomba fitarihantsika fianarana Baiboly.
5 Ho azonao atao ny hampiasa izao tari-dresaka izao rehefa mampiseho ny bokikely “Mifalia”:
◼ “Olona maro be no mihevitra fa tsy maintsy mankany an-danitra izy ireo vao hifaly amin’ny fiainana mandrakizay, nefa inona no heverinao momba ny hoe hiaina mandrakizay eto an-tany? [Avelao izy hamaly.] Manome toky antsika ny Baiboly fa azo atao ny hiaina mandrakizay ary lazainy amintsika ny fomba hahatratrarana izany tanjona izany.” Vakio ny Jaona 17:3. Avy eo dia asehoy ilay tompon-trano ny sary faha-49 ary ataovy izao fanontaniana izao: “Ahoana no tianao hiainana ao amin’ny tontolo tahaka izao?” Atolory ilay bokikely ary manaova fandaminana mba hiverenana mitsidika.
6 Ireo bokikely dia manasongadina foto-kevitra amin’ny ilana azy indrindra sy mamaly ireo fanontanian’ny olona ary manome fampiononana. Amin’ny fampiasana amim-pahakingana ireny fitaovana ireny, dia ho afaka hanampy ireo olona tso-po “ho tonga amin’ny fahalalana araka ny marina ny fahamarinana” isika. — 1 Tim. 2:4, NW.