FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 9/94 p. 3
  • Fampandrenesana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fampandrenesana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1994
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1994
km 9/94 p. 3

Fampandrenesana

◼ Zavatra vita an-tsoratra hampiasaina mandritra ny Septambra: Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany. Oktobra: Famandrihana amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy Réveillez-vous! Novambra: Ny Fahatanoranao — Ny Fomba Handraisan-tsoa Be Indrindra avy Amin’izany. Desambra: Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany. FANAMARIHANA: Ireo kongregasiona izay hila an’ireo zavatra hatolotra eny amin’ny asa fanompoana voalaza eo ambony ireo dia tokony hanafatra azy ireo amin’ny Taratasy Fanafarana Zavatra Vita An-tsoratra (S-AB-14) halefany manaraka. Manafara gazety fanampiny, raha sitrakareo, ho amin’ny fizarana gazety amin’ny Oktobra.

◼ Ny mpiandraikitra prezidà na ny olona iray notendreny dia tokony hanao ny fanamarinana ny kaontin’ny kongregasiona amin’ny 1 Septambra, na haingana araka izay azo atao aorian’izany. Manaova fampandrenesana amin’ny kongregasiona rehefa vita izy io.

◼ Ireo mpitory mikasa ny hanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy amin’ny Oktobra dia tokony hamerina aloha ny taratasy fangatahany. Izany dia mba hahafahan’ireo loholona hanao ireo fandaharana ilaina momba ny zavatra vita an-tsoratra sy ny faritany.

◼ Ampahatsiahivina ireo loholona mba hanaraka ireo toromarika omena eo amin’ny pejy faha-21-23 amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Jolay 1991, momba izay olona rehetra voaroaka na niala an-tsitrapo ka mety haniry ny horaisina indray.

◼ Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! amin’ny fiteny sinoa (notsorina) izao dia azo raisina any amin’ny tany rehetra. Atao pirinty miloko Ny Tilikambo Fiambenana. Mivoaka indroa isam-bolana ireo gazety ireo ary hiara-mivoaka amin’ireo gazety amin’ny anglisy. Azon’ireo kongregasiona atao ny mangataka fanafarana gazety sy famandrihana manokana. Ny saran’ny famandrihana herintaona par avion dia: 42 500 FMG (40 000 FMG no haloan’ny mpisava lalana); enim-bolana: 21 250 FMG (20 000 FMG no haloan’ny mpisava lalana).

◼ Zavatra Vita An-tsoratra Azo Raisina:

Anglisy: Ecoutez le Grand Enseignant (audiocassettes efatra sy boky ao anatin’ny album); Pourquoi adorer Dieu en amour et en vérité?; Recueil d’histoires bibliques (audiocassettes efatra ao anatin’ny album).

Frantsay: Annuaire des Témoins de Jéhovah 1994; disques Louons Jéhovah par nos chants R-1-15; Ecoutez le Grand Enseignant (audiocassettes efatra sy boky ao anatin’ny album); Pourquoi adorer Dieu en amour et en vérité?; Recueil d’histoires bibliques (audiocassettes efatra ao anatin’ny album).

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara