Fampandrenesana
◼ Zavatra vita an-tsoratra hatolotra amin’ny Desambra: Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany. Janoary: Fanolorana manokana: Ny Fahatanoranao — Ny Fomba Handraisan-tsoa Be Indrindra avy Amin’izany, amin’ny sarany 500 FMG (250 FMG no haloan’ny mpisava lalana). Febroary: Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany. Tokony hokolokoloina amin’ny alalan’ny fiverenana mitsidika ny fahalianana hita tamin’ny fametrahana io boky io, ary tokony hisy ezaka hatao mba hanombohana fampianarana Baiboly. Martsa: Ny Fanambarana — Akaiky ny Fiafarany Malaza! FANAMARIHANA: Ireo kongregasiona izay hila an’ireo zavatra hatolotra eny amin’ny asa fanompoana voalaza eo ambony ireo dia tokony hanafatra azy ireo amin’ny Taratasy Fanafarana Zavatra Vita An-tsoratra (S-AB-14) halefany manaraka.
◼ Amin’ny volana Febroary, ny Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika (sg-MG) dia ho azon’ny rehetra raisina amin’ny sarany 200 FMG. Mbola be dia be ny ao amin’ny tahiry, koa ampirisihina ny rehetra, na ireo izay efa misoratra anarana, na ny mbola hisoratra anarana amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika, na ankizy na olon-dehibe, na vita batisa na tsia, mba hahay hanararaotra izao fanolorana manokana izao.
◼ Ny mpiandraikitra prezidà na ny olona iray notendreny dia tokony hanamarina ny toe-bolan’ny kongregasiona ny 1 Desambra na haingana araka izay azo atao aorian’izay. Manaova fampandrenesana amin’ny kongregasiona rehefa vita ilay izy.
◼ Ny Fahatsiarovana amin’ny 1996 dia ho amin’ny talata 2 Aprily, aorian’ny filentehan’ny masoandro. Omena mialoha io daty fankalazana ny Fahatsiarovana amin’ny 1996 io, mba hahafahan’ireo rahalahy hanao ny famandrihana mialoha na ny fifanekena ilaina amin’ireo efitrano azo ampiasaina, rehefa kongregasiona maromaro no mampiasa ny Efitrano Fanjakana ka tsy maintsy mitady trano hafa.
◼ Ny Tilikambo Fiambenana amin’ny teny bengali, gujarati, hindi ary népali dia hiova ho fanontana hivoaka indroa isam-bolana, fa tsy indray mandeha intsony, manomboka amin’ny 1 Janoary 1995.
◼ Ny taratasin’ny Fikambanana tamin’ny 1 Aogositra 1993, nalefa ho an’ny fitambaran-doholona rehetra, dia nanome toromarika mba hanomezana ireo takelaka fanampiny tamin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana tamin’ny Novambra 1990 sy Septambra 1992, ho an’ny olona vao vita batisa tsirairay. Tokony hanaraka io toromarika io ireo loholona.
◼ Zavatra Vita An-tsoratra Azo Raisina:
Anglisy: Baiboly Kingdom Interlinear; disques Louons Jéhovah par nos chants R-1-15 (disques 15); Insight on the Scriptures; Les Témoins de Jéhovah: Prédicateurs du Royaume de Dieu; Pourquoi adorer Dieu en amour et en vérité?; Rehefa Nody Mandry ny Olona Iray Tianao...
Frantsay: Annuaire des Témoins de Jéhovah 1994; Index des publications de la Société Watch Tower 1986-1990; Les Témoins de Jéhovah: Prédicateurs du Royaume de Dieu; Rehefa Nody Mandry ny Olona Iray Tianao...; Volumes reliés Réveillez-vous! 1992, 1993; Volumes reliés Tour de Garde 1992, 1993; enregistrements sur cassettes audio: Genèse, Exode, (...); Louons Jéhovah par nos chants (cassettes 4 ao anatin’ny album); Louons Jéhovah par nos chants (cassettes 113 ao anatin’ny albums 5); Mélodies du Royaume 1-8 (cassette mandeha tsirairay).
Gujarati: Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany; Inona no Zava-kendren’ny Fiainana? Ahoana no Mety Ahitanao Azy Io?
Malagasy: Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra; Rehefa Nody Mandry ny Olona Iray Tianao...