FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 2/95 p. 1
  • Fitoriana — Tombontsoa Iray Be Voninahitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fitoriana — Tombontsoa Iray Be Voninahitra
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1995
  • Mitovitovy Aminy
  • Sarobidy ny Fanompoantsika
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2011
  • Tombontsoa Sarobidy ny Mitory Ilay Fanjakana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
  • Tsy Maintsy Be Zotom-po Amin’ny Fanompoana Foana Isika
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2007
  • Aza Avela Hihena ny Zotom-ponao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1995
km 2/95 p. 1

Fitoriana — Tombontsoa Iray Be Voninahitra

1 Ny fanompoana momba ny vaovao tsara dia tombontsoa iray be voninahitra izay nomen’i Jehovah antsika. (Rom. 15:16; 1 Tim. 1:12). Izany ve no fomba iheveranao azy io? Na ny fandehan’ny fotoana na ny fanarabian’ny hafa dia tsy tokony havela hampihena ny maha-zava-dehibe azy io eo imasontsika. Ny fitondrana ny anaran’Andriamanitra dia voninahitra iray tsy nomena olona afa-tsy vitsy ihany. Ahoana no ahafahantsika mampitombo ny fankasitrahantsika an’io tombontsoa io?

2 Tsy ahazoantsika sitraka avy amin’izao tontolo izao ny fitoriana ny hafatra momba ilay Fanjakana. Olona maro no tsy rototra na tsy miraika amin’ny asantsika. Ny hafa manaraby sy manohitra azy io. Ny fanoherana toy izany dia mety ho avy amin’ny mpiara-miasa, ny mpifanolo-bodirindrina, na ny mpikambana ao anatin’ny fianakaviana mihitsy aza. Eo imason’izy ireo isika dia toa diso lalana sy adala. (Jaona 15:19; 1 Kor. 1:18, 21; 2 Tim. 3:12). Ny tenin’izy ireo manakivy dia natao indrindra mba hampihena ny zotom-pontsika sy hahatonga antsika hiadam-pamindra kokoa na hamoy ny tombontsoantsika be voninahitra. I Satana, izay ‘manajamba ny sain’ny tsy mino mba tsy hiposahan’ny fahazavan’ny filazantsara’ no mampirisika hanana toe-tsaina tsy manorina. (2 Kor. 4:4). Ahoana no fihetsikao?

3 Zava-dehibe ny itadidiana ao an-tsaina fa ny fitoriantsika momba ilay Fanjakana no asa lehibe indrindra azon’iza na iza amintsika atao ankehitriny. Manana hafatra mamonjy aina izay tsy ho azo amin’ny fomba hafa na inona na inona isika. (Rom. 10:13-15). Ny fananana ny fankasitrahan’Andriamanitra, fa tsy ny an’ny olona, no tena zava-dehibe. Tsy misakana antsika tsy hanambara amim-pahasahiana ny vaovao tsara ny fomba fijery tsy manorin’izao tontolo izao momba ny asantsika. — Asa. 4:29.

4 I Jesosy dia nihevitra ho sarobidy aoka izany ny tombontsoany hanao ny sitrapon’ny Rainy. (Jaona 4:34). Nanokan-tena tanteraka ho amin’ny fanompoana izy ary tsy namela na ireo fanelingelenana na ireo mpanohitra hampiadam-pamindra kokoa azy. Ny fitoriana ny hafatra momba ilay Fanjakana dia nitana ny toerana voalohany hatrany teo amin’ny fiainany. (Lioka 4:43). Didiana isika mba hanahaka ny ohatra nomeny. (1 Pet. 2:21). Amin’ny fanaovantsika izany, dia manompo amin’ny maha-“mpiara-miasa amin’Andriamanitra” isika. (1 Kor. 3:9). Manararaotra amin’ny fomba feno an’io tombontsoa io ve isika? Mitady ny fahafahana hizara ny vaovao tsara amin’ny hafa ve isika na ara-potoana izany na tsy ara-potoana? Amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah, dia tokony ho vonona mandrakariva “hanao fanambarana ampahibemaso ny anarany” isika. — Heb. 13:15, NW.

5 Miankina be dia be amin’ny fihetsitsika ny fandraisantsika anjara amin’ny fanompoana. Moa ve isika tena mankasitraka tokoa izay nataon’i Jehovah ho antsika? Moa ve isika mampitombo ao am-pontsika fitiavana an’i Jehovah izay manosika antsika hanao izay rehetra azontsika atao eo amin’ny fanompoana azy? Ny fisaintsainana ireo fitahiana ifaliantsika dieny izao mbamin’izay ampanantenain’i Jehovah ho amin’ny hoavy dia manampy antsika ho safononoky ny fitiavana ny Mpamorona antsika. Ny fitiavana toy izany dia manosika antsika hiasa — ny fikirizana sy ny tsy fahatapatapahana amin’ny asa fitoriana ilay Fanjakana araka izay amelan’ny toe-javatra misy antsika. Ny zotom-pontsika dia hanome porofon’ny fitiavantsika an’i Jehovah sy ny mpiara-belona amintsika. — Marka 12:30, 31.

6 Mampiseho ny maha-sarobidy aoka izany ny zavatra iray isika amin’izay anaovantsika azy io sy izay lazaintsika momba azy io. Moa ve isika tena mihevitra marina ho sarobidy ny tombontsoantsika hitory momba ilay Fanjakana? Moa ve isika mankalaza ny fanompoantsika? Moa ve isika tapa-kevitra ny haharitra amin’io asa iankinan’ny aina io, na dia eo aza ny fanoherana? Raha mihevitra ho sarobidy aoka izany an’io tombontsoa mahatalanjona io isika, dia ho azo antoka fa ho be zotom-po sy hanao zavatra amin’ny fontsika rehetra. — 2 Kor. 4:1, 7.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara