Fampandrenesana
◼ Zavatra vita an-tsoratra hampiasaina mandritra ny Febroary: Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany. Tokony harahina fiverenana mitsidika ny nametrahana io boky io, ary tokony hisy ezaka hatao mba hanombohana fampianarana Baiboly. Martsa: Ny Fanambarana — Akaiky ny Fiafarany Malaza! Aprily sy May: Famandrihana amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy Réveillez-vous! Any amin’ny faritany voasa matetika, dia azo ampiasaina na bokikely inona na bokikely inona (afa-tsy ny bokikely Sekoly). FANAMARIHANA: Ireo kongregasiona izay hila an’ireo zavatra hatolotra eny amin’ny asa fanompoana voalaza eo ambony ireo dia tokony hanafatra azy ireo amin’ny Taratasy Fanafarana Zavatra Vita An-tsoratra (S-AB-14) halefany manaraka.
◼ Ny sekretera sy ny mpiandraikitra ny asa dia tokony hijery indray ny asan’ireo mpisava lalana maharitra rehetra. Raha misy amin’izy ireo mahita fahasahiranana amin’ny fanatratrarana ny ora takina, ireo loholona dia tokony hanao fandaharana mba hanomezana fanampiana. Mba hahazoana fanipazan-kevitra, dia jereo indray ny taratasin’ny Fikambanana (S-201) tamin’ny 1 Oktobra 1993, sy tamin’ny 1 Oktobra 1992. Jereo koa ny takelaka fanampiny tao amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana tamin’ny Oktobra 1986, fehintsoratra faha-12-20.
◼ Ny fankalazana ny Fahatsiarovana dia hatao ny zomà 14 Aprily 1995. Na dia azo atomboka aloha kokoa aza ny lahateny, dia tsarovy, aza fady, fa ny fampandalovana ny mofo sy ny divay dia tsy tokony hanomboka raha tsy aorian’ny filentehan’ny masoandro. Hamarino eo an-toerana hoe amin’ny firy no milentika ny masoandro eo amin’ilay faritra misy anareo. Tsy hisy fivoriana hafa ankoatra ny fivoriana ho amin’ny asa fitoriana hatao, amin’io daty io. Raha manana fivoriana efa fanao ny kongregasionanareo amin’io zomà io, dia mety ho tianareo ny hanova azy io ho amin’ny andro hafa amin’io herinandro io raha azo ampiasaina ny Efitrano Fanjakana.
◼ Eo amin’ny fifaranan’ny fivorian’ny kongregasiona mbamin’ny fandaharana amin’ny fivoriamben’ny fizaran-tany sy andro fivoriambe manokana amin’ny 23 Aprily 1995, dia hisy fampandrenesana hatao momba ny asa manokana iray hatomboka mba hizarana be dia be ny taratasy mivalona iray efatra pejy izay mirakitra hafatra tonga amin’ny fotoana ilana azy. Ampirisihina ny mpitory mba haneho fiheverana manokana an’ireo olona tso-po izay mieritreritra an’ireo zava-manahirana mahasanganehana atrehin’izy ireo ka mitady tari-dalana azo itokiana. Ny mpitory tsirairay, anisan’izany ireo vaovao izay vao hanomboka ho eny amin’ny saha fitoriana mandritra ny Martsa sy Aprily ary May, dia haniry handray anjara amin’ny fomba feno sy hanome ny fanohanany an’io fanolorana manokana io.
◼ Ireo mpitory maniry hanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy amin’ny Martsa sy Aprily ary May dia tokony hanao ny fandaharany dieny izao ka hamerina ny taratasy fangatahany mialoha. Izany dia hanampy ireo loholona hanao ny fandaharana ilaina ho amin’ny asa fanompoana sy hanao izay hahampy ny zavatra vita an-tsoratra eo am-pelatanana.