Tokony ho Karazan’olona Manao Ahoana moa Ianareo?
1 Mihamanakaiky ny fotoana fampamoahana ho an’ny olombelona rehetra. Antsoin’ny Baiboly hoe “ny andron’i Jehovah” izy io. Izy io no fotoana hampiharana ny didim-pitsaran’Andriamanitra eo amin’ny ratsy fanahy; izy io koa no fotoana hanafahana ny marina. Ny olona rehetra velona amin’izay fotoana izay dia hampamoahina noho ny fomba nampiasany ny fiainany. Izany no tao an-tsain’i Petera rehefa nampipoitra fanontaniana famakafakana iray toy izao izy: “Tokony ho karazan’olona manao ahoana moa ianareo?” Nohamafisiny ny maha-zava-dehibe ny ‘fitondran-tena masina, ny asa mampiseho fifikirana amin’Andriamanitra, sy ny fitadidiana tsara ao an-tsaina ny andron’i Jehovah’, ary koa ny ilana ho ‘tsy misy pentina sy tsy misy tsiny ary ao amin’ny fihavanana’. — 2 Pet. 3:11-14, NW.
2 Fitondran-tena masina sy ny asa mampiseho fifikirana amin’Andriamanitra: Mahafaoka asa fakan-tahaka izay mampiseho fanajana ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly, ny fitondran-tena masina. (Tit. 2:7, 8). Ny Kristiana iray dia tsy maintsy manalavitra ny fitondran-tena araka an’izao tontolo izao izay ny faniriana feno fitiavan-tena sy araka ny nofo no antony manosika hanao izany. — Rom. 13:11, 14.
3 Ny “fifikirana amin’Andriamanitra” dia lazalazaina ho “fifikiran’ny tena manokana amin’Andriamanitra, mipoitra avy ao amin’ny fo iray entanin’ny fankasitrahana lalina ny toetrany manintona”. Fomba miavaka iray anehoantsika io toetra io ny zotom-pontsika eny amin’ny fanompoana. Ny antony manosika antsika eo amin’ny fitoriana dia mihoatra lavitra noho ny fahatsapana adidy fotsiny; izy io dia mipoitra avy amin’ny fitiavana lalim-paka an’i Jehovah. (Marka 12:29, 30). Noho isika atosik’izany fitiavana izany, dia heverintsika ho fanehoana misy heviny ny fifikirantsika amin’Andriamanitra ny fanompoantsika. Koa satria tsy maintsy ho tsy mivadibadika ny fifikirantsika, dia tokony tsy hiovaova ny fandraisantsika anjara eo amin’ny asa fitoriana. Tokony ho tapany raikitra amin’ny fandaharam-potoan’ny zavatra ataontsika isan-kerinandro izy io. — Heb. 13:15.
4 Ny fitadidiana “tsara ao an-tsaina” ny andron’i Jehovah dia midika ho fitanana azy io ho eo amin’ny toerana voalohany amin’ny eritreritsika isan’andro, ka tsy hanilika azy io mihitsy ho eo amin’ny toerana tsy dia manao ahoana ao amin’ny takontakona. Midika ho fitanana ny tombontsoan’ilay Fanjakana ho eo amin’ny toerana voalohany amin’ny fiainantsika, izany. — Matio 6:33.
5 Tsy misy pentina sy tsy misy tsiny ary ao amin’ny fihavanana: Amin’ny maha-anisan’ny olona betsaka antsika, dia ‘nanasa ny akanjontsika sy namotsy izany tamin’ny ran’ny Zanak’ondry’ isika. (Apok. 7:14). Ny hoe “tsy misy pentina” àry dia midika fa tsy maintsy miaro amin’ny fomba tsy azo hozongozonina ny fiainantsika madio, voatokana, mba tsy hipitihan’ny loto avy amin’izao tontolo izao, isika. Mitoetra ho “tsy misy tsiny” hatrany isika amin’ny tsy famelana ny fikatsahan-javatra tsy araka an’Andriamanitra, mampiseho fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo, hanaratsy endrika ny toetrantsika kristiana. (Jak. 1:27; 1 Jaona 2:15-17). Asehontsika fa miaina “ao amin’ny fihavanana” isika amin’ny fanehoana taratry ny “fiadanan’Andriamanitra” eo amin’ny fifampiraharahana rehetra ataontsika amin’ny hafa. — Fil. 4:7; Rom. 12:18; 14:19.
6 Raha miaro tena amim-pahombiazana amin’ny fandotoan’izao tontolo izao isika, dia tsy ‘hanaraka mihitsy ny fanaon’izao tontolo izao’, izay nomelohin’i Jehovah. Hanampy ny hafa kosa hahita ny tsy fitovian’ny “manompo an’Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy”, ny asa tsara dia tsara ataontsika. — Rom. 12:2; Mal. 3:18.
7 Hanatrika ny Fivoriamben’ny Distrika “Mpidera An’Andriamanitra Amim-pifaliana” ny ankamaroantsika, ary tsy isalasalana fa hanamafy ny faniriantsika haneho ny fifikirantsika amin’Andriamanitra ny sakafo ara-panahy mamelombelona. Vaovao maro no manana izany faniriana izany. Afaka ny ho fitahiana isika amin’ny fanampiana azy ireo handray anjara amin’ny fanompoana eny amin’ny saha mandritra ny Aogositra.
8 Mahazo dera ny anaran’i Jehovah, hatanjahina ny kongregasiona, ary mandray soa ny hafa rehefa manohy amim-pieritreretana tsara manao “asa tsara” isika. (1 Pet. 2:12). Enga anie isika ho izany karazan’olona izany foana.