Mazoto Manolotra ny Tenantsika ho Amin’ny Asa Tsara Rehetra
1 Nanisy firesahana ny amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny zavatra vita an-tsoratra iray eo amin’izao tontolo izao, ka nanao hoe: “Ho sarotra ny hahita mpikambana ao amin’antokon’olona hafa izay miezaka mafy eo amin’ny fivavahany toy ny ataon’ny Vavolombelona.” Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no miezaka mafy aoka izany sy amin’ny toe-tsaina mazoto toy izany?
2 Ny antony iray dia noho izy ireo vonton’ny fahatsapana fa mahadodona ny fotoana. Nanaiky i Jesosy fa nanana fotoana voafetra izy hamitany ny asany teto an-tany. (Jaona 9:4). Raha mbola manapaka eo amin’ny fahavalony ny Zanak’Andriamanitra nomem-boninahitra amin’izao andro izao, dia takatry ny vahoakan’i Jehovah fa manana fotoana voafetra hanaovana ny asany izy ireo. Noho izany, dia mazoto manolo-tena hatrany ho amin’ny fanompoana masina izy ireo. (Sal. 110:1-3). Koa satria ilaina ny mpiasa maro kokoa mba hampidirana ny vokatra, dia tsy mety hisy fihenana ny ezaka ataon’izy ireo. (Matio 9:37, 38). Noho izany, dia miezaka manahaka an’i Jesosy, izay namela ohatra tonga lafatra ny amin’ny fahazotoana sy ny fikirizana teo amin’ny asany, izy ireo. — Jaona 5:17.
3 Ny antony hafa mahatonga ny Vavolombelon’i Jehovah hiasa amin’ny fo tahaka ny ho an’i Jehovah dia satria hafa noho ny antokon’olona hafa rehetra ny fandaminan’izy ireo maneran-tany. Ny mampiavaka ireo fivavahana eo amin’izao tontolo izao dia ny tsy fitakiana afa-tsy fotoana sy ezaka faran’izay kely avy amin’ireo mpanaraka azy. Tsy misy vokany firy na tsy misy vokany mihitsy eo amin’ny fiainany andavanandro, eo amin’ny fifampiraharahany amin’ny hafa, na eo amin’ny fikatsahany zavatra eo amin’ny fiainana, izay inoany. Noho izy ireo tsy manana ilay hery manosiky ny finoana marina, dia nohizingizinin’izy ireo ny ‘hanaovan’ireo mpiandry azy vava malefaka aminy’, amin’ny fanomezan-toky azy ireo fa ampy ny ezaka anarany fotsiny ataony. (Isaia 30:10). Nanao izay hampifalifaliana azy ny klerjiny tamin’ny ‘fampangidihidiana ny sofiny’, ka nampidirany ny toe-tsain’ny tsy firaikana sy ny fahakamoana ara-panahy. — 2 Tim. 4:3.
4 Toy inona moa ny fifanoheran’izany amin’ny eo anivon’ny vahoakan’i Jehovah! Mahatafiditra ezaka sy fikelezana aina ary asa ny zava-drehetra momba ny fanompoam-pivavahantsika. Isan’andro sy eo amin’ny zava-drehetra ataontsika, dia mampihatra izay inoantsika isika. Na dia mitondra fifaliana be dia be ho antsika aza ny fahamarinana, dia mahatafiditra “ady mafy be dia be” ho antsika ny famenoana ny fepetra takin’izy io. (Ampitahao amin’ny 1 Tesaloniana 2:2, NW.) Ampy mba hihazonana ny ankamaroan’ny olona ho be atao ny fiantsorohana ireo andraikitra eo amin’ny fiainana andavanandro fotsiny. Kanefa, tsy mamela ireny fanahiana ireny hisakana antsika tsy hametraka ny tombontsoan’ilay Fanjakana eo amin’ny toerana voalohany isika. — Matio 6:33.
5 Mahasoa sy mahadodona aoka izany izay omena hataontsika eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah, hany ka voatosika ‘haka’ fotoana avy amin’ny fikatsahana zavatra hafa isika, ka hampiasa azy io amin’ny fomba ahazoan-tombony kokoa eo amin’ny raharaha ara-panahy. (Efes. 5:16, NW). Noho ny fahalalana fa mampifaly an’i Jehovah ny fifikirantsika amin’Andriamanitra sy ny toe-tsaintsika mazoto, dia manana ny fandrisihana lehibe indrindra hanohy ny fiezahantsika mafy isika. Noho ireo fitahiana tondraka raisintsika dieny izao sy ny fahatsinjovana ny fiainana amin’ny hoavy, dia ny hanohy ‘hiezaka mafy sy hikely aina’ ho tombontsoan’ilay Fanjakana no fahatapahan-kevitsika. — 1 Tim. 4:10, NW.
6 Fanoloran-tena sy ny toe-tsaina tia fahafoizan-tena: Ny ankamaroan’ny olona amin’izao andro izao dia manome ny laharam-pahamehana ambonin’ny zavatra hafa rehetra ho an’ny zavatra ilaina sy ny tombontsoa ara-nofo. Mahatsiaro tena ho manana ny rariny tanteraka izy ireo rehefa mampifantoka ny sainy ho amin’izay hohaniny, hosotroiny, na hotafiny. (Matio 6:31). Tsy mianina amin’izay tena ilaina izy ireo, fa atosiky ny fikendrena hifaly amin’ny fiainana mahafinaritra amin’ny fomba feno dieny izao kosa, sy ‘hanana fananana be voatahiry ho amin’ny taona maro, hany ka ho afaka hitsahatra, hihinana, hisotro, sy hifaly izy ireo’. (Lioka 12:19). Ny mpiangona iray fahita mahazatra dia mihevitra fa izay mety ho ezaka takin’ny fivavahany amin’ny tenany dia fanitsakitsahana ny zony. Maharikoriko azy ny hevitra hoe hamela na handrombina akory aza fikatsahana zavatra mampiseho fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo na hamoy tombontsoa mahafinaritra iray. Noho ny fisainany mifantoka amin’ny tenany, dia nofinofy, tsy azo ampiharina, ny fambolena ny toe-tsaina tia fahafoizan-tena.
7 Mihevitra io raharaha io amin’ny fomba hafa tanteraka isika. Nanandratra ny fisainantsika ny Tenin’Andriamanitra, hany ka misaina ny fihevitr’Andriamanitra, fa tsy ny an’ny olombelona, isika. (Isaia 55:8, 9). Manana zava-kendrena eo amin’ny fiainana, zava-kendrena izay manoatra noho ny fikatsahana zavatra ara-nofo, isika. Ny fanamarinana ny fiandrianan’i Jehovah sy ny fanamasinana ny anarany no raharaha iadian-kevitra lehibe indrindra eo amin’izao rehetra izao manontolo. Lehibe aoka izany ireo raharaha iadian-kevitra ireo, hany ka, raha ampitahaina aminy, ny firenena rehetra “dia tahaka ny tsinontsinona eo anatrehany”. (Isaia 40:17). Izay mety ho fanandramana hiaina ny fiainantsika amin’ny fomba iniavana tsy hahalala ny sitrapon’Andriamanitra, dia tsy maintsy heverina ho fahadalana. — 1 Kor. 3:19.
8 Koa na dia ilaina aza ny zavatra ara-nofo sasany ary na dia mahasoa aza ireo zavatra hafa eo amin’ny fanohizana manao ireo zavatra mifandray amin’ilay Fanjakana, dia tsapantsika fa tsy izy ireny no tena “zavatra lehibe kokoa”. (Fil. 1:10, NW ). Manaraka ilay toe-tsaina hita ao amin’ny 1 Timoty 6:8 isika amin’ny famerana ny fikatsahantsika tombontsoa ara-nofo sy amin’ny fiezahana amim-pahendrena hihazona ny fontsika hifantoka amin’ny ‘tsy hita izay haharitra mandrakizay’. — 2 Kor. 4:18.
9 Arakaraka ny hisainantsika ny fihevitr’Andriamanitra no hihenan’ny fanahiantsika momba ireo zavatra ara-nofo. Rehefa mandinika izay efa nataon’i Jehovah ho antsika sy ireo fitahiana mahatalanjona nampanantenainy ho amin’ny hoavy isika, dia mazoto hanao na inona na inona sorona angatahiny amintsika. (Marka 10:29, 30). Avy aminy ny fisiantsika mihitsy. Raha tsy noho ny famindram-pony sy ny fitiavany, dia tsy ho nankafy ny fiainana isika ankehitriny ary tsy ho nanana hoavy na ahoana na ahoana. Mahatsiaro tena ho voatery hanolo-tena isika, satria ny zava-drehetra ataontsika eo amin’ny fanompoana azy dia ‘ny tokony ho nataontsika ihany’. (Lioka 17:10). Na inona na inona angatahina amintsika mba haverina amin’i Jehovah, dia fointsika amim-pifaliana, noho ny fahalalana fa ‘hijinja be’ isika. — 2 Kor. 9:6, 7.
10 Ilaina ankehitriny ireo mpiasa mazoto: Nanomboka tamin’ny fiandohany mihitsy, ny kongregasiona kristiana dia niditra tao amin’ny fe-potoan’ny fanaovan-javatra mafy. Nisy fanambarana feno tsy maintsy ho natao talohan’ny fianjeran’i Jerosalema tamin’ny 70 am.f.i. Nandritra izany fotoana izany ireo mpianatr’i Jesosy dia “nisahirana fatratra tamin’ny teny”. (Asa. 18:5, NW). Ny fitarana haingana dia nahatonga ho tena ilaina ny hampiofanana evanjelisitra sy mpiandry mahay maro kokoa ary ny handraisana ny fanampiany. Nilaina ireo lehilahy nanana fanandraman-javatra tamin’ny fifampiraharahana tamin’ireo manam-pahefana tsy ara-pivavahana, ary koa ireo lehilahy nahay izay afaka nanara-maso ny fanangonana sy ny fizarana ireo zavatra ara-nofo. (Asa. 6:1-6; Efes. 4:11). Na dia nisy vitsy aza nanompo tamin’ny fomba nisongadina, ny ankamaroany dia tsy nisongadina firy. Kanefa izy rehetra dia ‘niezaka mafy tamin-kery’, niara-niasa tamin’ny fo manontolo mba hahavita ny asa. — Lioka 13:24, NW.
11 Na dia somary tsy dia nilaina firy aza ny fanaovan-javatra mafy tamin’ny ambaratonga naneran-tany nandritra ireo taonjato maro nanaraka izany, dia nanomboka nisy fahalianana lehibe indray teo amin’ny fanaovan-javatra mifandray amin’ilay Fanjakana rehefa nandray ny fahefany ao amin’ilay Fanjakana i Jesosy tamin’ny 1914. Tamin’ny voalohany, dia vitsy no nahatakatra fa hanjary ho betsaka aoka izany ny mpiasa ilaina ho tombontsoan’ilay Fanjakana, ka hitaky ny fanampian’ny olona mazoto an-tapitrisany maro any amin’ireo tany manerana ny gilaoby manontolo.
12 Amin’izao andro izao ny fandaminana dia tafiditra lalina amin’ny tetik’asa maro isan-karazany izay nitaky be dia be ny hampiasana ny fananantsika hatramin’ny fetra farany. Mandroso haingana ny asa mifandray amin’ilay Fanjakana. Manosika antsika hikely aina sy hampiasa ny fananana rehetra eo am-pelatanantsika mba hanatanterahana ilay asa ilaina hatao ny fandodonan’ny andro misy antsika. Noho ny faran’ny fandehan-javatra ratsy manontolo mihamanakaiky aoka izany, dia manampo fanaovan-javatra mbola ho mafy kokoa aza isika amin’ny andro ho avy. Angatahina hazoto hanolo-tena amin’ilay asa fanangonana mahadodona ny mpanompon’i Jehovah nanolo-tena rehetra.
13 Inona avy ireo zavatra ilaina hatao? Afaka milaza marina isika fa misy zavatra ‘be dia be hatao ao amin’ny asan’ny Tompo’. (1 Kor. 15:58, NW). Any amin’ny faritany maro dia masaka ny vokatra, kanefa vitsy ny mpiasa. Asaina isika hanao ny anjarantsika, tsy hoe amin’ny filofosana bebe kokoa fotsiny amin’ny fanaovana fanambarana manerana ny faritanintsika ihany, fa amin’ny fiatrehana koa ilay zava-tsarotra, dia ny fanompoana any amin’izay ilana fanampiana kokoa.
14 Maha-te hidera ny mahita ireo Vavolombelona any amin’ny tapany rehetra eo amin’izao tontolo izao, mazoto manolo-tena ho amin’ny fanaovan-javatra hafa. Izany dia mety hanomboka amin’ny fanoloran-tena ho mpiasa an-tsitrapo any amin’ny fanorenana toeram-panompoam-pivavahana sy ny fanompoana any amin’ireo fivoriambe ary ny fanohanana ny ezaka fanampiana amin’ny fotoan’ny loza, ka hatramin’ny fanadiovana tsy tapaka ny Efitrano Fanjakana eo an-toerana. Mifandray amin’io fanaovan-javatra farany io, dia eo ny fanaovana izay hahazoana antoka foana fa nilaozana madio sy milamina ny Efitrano Fanjakana aorian’ny fivoriana tsirairay. Ny famitana asa mety hoheverina ho ambany dia mampiseho fahazoana tsara ny hevitry ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Lioka 16:10 hoe: “Ary izay mahatoky amin’ny kely indrindra dia mahatoky koa amin’ny be; ary izay tsy marina amin’ny kely indrindra dia tsy marina koa amin’ny be.”
■ Fanohanana ny fanaovan-javatra ao amin’ny kongregasiona: Na dia miasa amin’ny maha-tapany amin’ny fandaminana manontolo azy aza ny kongregasiona tsirairay ka mahazo fitarihan-dalana avy amin’ny “mpanompo mahatoky sy malina”, dia voaforon’ny mpitory ilay Fanjakana isam-batan’olona izy io. (Matio 24:45, NW). Miankina voalohany indrindra amin’ny habetsahan’izay mampahazoto ny Vavolombelona tsirairay sy izay azony atao, ny zava-bitan’ny kongregasiona. Mifantoka amin’ny fanaovana izay hitoriana ny vaovao tsara eo amin’ny faritaniny sy ny fanaovana mpianatra vaovao ary avy eo dia ny fanatanjahana azy ireny amin’ny lafiny ara-panahy, ny kongregasiona. Afaka mandray anjara amin’io asa io ny tsirairay avy amintsika. Afaka mametra zava-kendrena ho an’ny tenantsika koa isika eo amin’ny fianarana manokana sy ny fandraisana anjara misy heviny amin’ireo fivoriana ary ny fanampiana ny hafa mila izany ao anatin’ny kongregasiona. Manolotra fahafahana tsara dia tsara maro ho antsika mba hampisehoana ny fahazotoantsika ireo fanaovan-javatra ireo.
■ Fitarihan’ireo eo amin’ny toeram-piandraiketana: Nanankina ny fanaraha-maso ny kongregasiona tsirairay tamin’ireo loholona voatendry ao aminy, i Jehovah. (Asa. 20:28). Izy ireo dia lehilahy niezaka handroso mba hameno fepetra ho amin’io tombontsoa io. (1 Tim. 3:1, NW). Saika ny rahalahy rehetra ao amin’ny kongregasiona dia manana fahafahana hameno fepetra ho amin’ny andraikitra lehibe kokoa. Rahalahy maro no mandroso amin’ny lafiny ara-panahy ka mila ny mitombo hatrany eo ambanin’ny fitarihana sy ny fanampiana feno fitiavan’ireo loholona ao amin’ny kongregasiona. Tokony ho mpianatra mazoto ny Baiboly sy ny zavatra vita an-tsoratra avoakantsika ireny lehilahy ireny. Afaka mampiseho ny fahazotoany izy ireo amin’ny fanoavana ireo loholona voatendrin’ny fanahy, amin’ny fanahafana ny finoany sy amin’ny fambolena ireo toetra antenaina ho hita eo amin’ireo mpiandraikitra. — Heb. 13:7, 17.
■ Fidirana amin’ny fanompoana manontolo andro: Ny asan’ny kongregasiona voalohany indrindra dia ny hitory ny vaovao tsara. (Matio 24:14, NW). Fitahiana toy inona moa rehefa mampitombo ny fiezahany ireo olona be zotom-po amin’ny firotsahana ho mpisava lalana! Mazàna izany dia mahafaoka fanaovana fanitsiana eo amin’ny fiainany manokana. Mety hisy fanitsiana fanampiny hotakina amin’izy ireo mba hanohizana ao amin’io fanompoana manokana eny amin’ny saha io. Kanefa ireo izay mifikitra amin’io tombontsoa io, fa tsy miala kosa aorian’ny herintaona, na toy izany, noho ny fahakiviana mihelina, dia mahazo antoka fa hahazo fitahiana tondraka avy amin’i Jehovah. Afaka mandray anjara amin’ny fahombiazan’ny mpisava lalana ireo loholona sy olona matotra hafa be fitiavana, amin’ny fampirisihana azy ireo amin’ny teny sy ny atao. Toe-tsaina tsara dia tsara toy inona moa no asehon’ireo tanora izay miditra mivantana ao amin’ny asan’ny mpisava lalana eo am-pahavitan’ny fianarany! Toy izany koa no ataon’ireo olon-dehibe izay mirotsaka ho mpisava lalana maharitra raha vantany vao mihena ny adidiny tsy ara-pivavahana. Fahafaham-po toy inona moa no entin’izany ho an’ny Kristiana nanolo-tena iray rehefa miara-miasa amin’ny fanafainganan’i Jehovah ny asa fanangonana izy amin’izany! — Isaia 60:22.
■ Fandraisana anjara amin’ny fanorenana sy ny fikojakojana ireo toeram-pivoriana: Tamin’ny fomba ara-bakiteny, dia Efitrano Fanjakana maoderina an-jatony maro, ary koa Efitrano Fivoriambe maro no naorina. Mahazendana fa ny ankamaroan’ny asa rehetra dia nataon’ireo rahalahy sy anabavintsika izay nazoto nanolotra an-tsitrapo ny fotoany sy ny fahaizany. (1 Tant. 28:21). Mpiasa mazoto an’arivony maro no mikojakoja ireny toerana ireny amin’ny fanatontosana na asa inona na asa inona mety hotakina. (2 Tant. 34:8). Koa satria io asa io endriny iray amin’ny fanompoana masina, ireo izay manampy dia mazoto manolo-tena, tsy mangataka ny handoavam-bola noho ny fanampiany amin’io lafiny io, toy ny tsy hangatahany ny homena karama mba hitory isan-trano, hanao lahateny ampahibemaso ao amin’ny kongregasiona, na hanampy amin’ny asa atao amin’ny fivoriamben’ny fizaran-tany na distrika. Manolotra maimaim-poana ny fanampiany ireny mpiasa an-tsitrapo ireny eo amin’ny fanaovana ny drafitra sy ny fanorenana toeram-panompoam-pivavahana mba ho fiderana an’i Jehovah. Manampy amim-pahadodonana amin’ny fanaovan-javatra toy ny famenoana taratasy takin’ny lalàna, ny fitanana filazana kaonty, ny fifandraisana amin’ny mpivarotra, sy ny fanombanana ny habetsahan’ny fitaovana ilaina, izy ireo. Tsy manampy karazana fandaniana amboniny ireny mpanompon’i Jehovah mahatoky ireny, na mitady akory, amin’ny fomba mivantana na tsy mivantana, hahazo tombony ara-nofo avy amin’ireo fanampiana atolony, satria ireo talentany sy fananany rehetra dia voatokana ho an’i Jehovah. (Jereo Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana [frantsay] Febroary 1992, pejy faha-4, fehintsoratra faha-10.) Mitaky mpiasa mazoto izay manatontosa ny fanompoany “amin’ny fo, tahaka ny ho an’[i Jehovah, NW]” io fanaovan-javatra io. — Kol. 3:23.
15 Inona àry no mahatonga ny fahazotoan’ny vahoakan’i Jehovah ho tsy manam-paharoa? Izy io dia ny toe-tsaina tia manome. Mahafaoka mihoatra noho ny vola na ny zavatra ara-nofo ny fanomezan’izy ireo amim-pahalalahan-tanana — “mazoto manolo-tena” izy ireo. (Sal. 110:3, izahay no manao sora-mandry.) Izany no votoatin’ny fanolorantsika tena ho an’ i Jehovah. Valian-tsoa amin’ny fomba manokana isika. Mahita ‘fahasambarana kokoa’ sy ‘mijinja be’ isika satria izay ataontsika dia ankasitrahan’ny hafa, izay manao fanomezana ho antsika koa ho setrin’izany. (Asa. 20:35; 2 Kor. 9:6; Lioka 6:38). Ny Mpanao Fanomezana lehibe indrindra ho antsika dia i Jehovah Raintsika any an-danitra, izay ‘tia ny mpanome amin’ny fifaliana’. (2 Kor. 9:7). Hamaly antsika avo zato heny izy, amin’ny alalan’ny fitahiana izay haharitra mandrakizay. (Mal. 3:10; Rom. 6:23). Koa rehefa misy tombontsoa eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah atolotra anao, hazoto hanolo-tena an-tsitrapo ve ianao ka hamaly toy ny nataon’i Isaia hoe: “Inty aho, iraho aho”? — Isaia 6:8.